♦ Hiditra an-tanety eo anelanelan'i Anakao sy Androka any Ampanihy anio maraina eo anelanelan'ny amin'ny 9 ora hatramin'ny 12ora antoandro ilay rivodoza Ewetse... ♦ Nankatoavina am-bava nandritry ny filan-kevitry ny ministra omaly talata faha-20 ny volana janoary ireo tetiandrom-panadinam-panjakàna vaovao, tanterihana ny volana jona ihany ny fanadinana CEPE raha ny volana jolay kosa ny BEPC sy ny Bakalôrea... ♦ Jiolahy miisa enina no lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI (Saka Maity), teny Ambohijanaka-Atsimondrano ny alin'ny alatsinainy 19 janoary 2026, teo...

• Namoaka ny vokatry ny fanadihadiana andiany faharoa momba ny tontolo politika, ny toekarena ary ny sosialy, ny firaisamonim-pirenena CCOC. Nivoitra tamin'izany fa tsy mametraka ny fitokisany amin'ny mpitondra sy ny mpanao politika ny olom-pirenena nanontaniana tao Antananarivo Renivohitra... • Miisa 374 ny fitambaran'ny trangan'ny MPOX hita hatramin'ny omaly alatsinainy. 263 amin'ireo no tranga ahiana ary 111 no tranga voamarina... • Handao an'i Madagasikara tsy ho ela ny ambasadaoro amerikana, Ramatoa Claire Pierangelo. Nanao veloma ny Filohan'ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Lapam-panjakana Ivoloha, izy androany...

♦ Tsy hahavaha olana ny fijanonana amin'ny "régime par intérim" amin'izao hoy ny antoko Matsilo. Nilaza ny avy amin'ity antoko ity fa vao mainka hiteraka tsy fahamarinan-toerana ny tsy handravàna andrim-panjakàna... ♦ Hisy indray ny famotorana ireo rehetra voatonona tamin'ny angom-baovaon'ny Fitsaràna momba ny fanapoizinana teny Ambohimalaza. Nanazava fohy momba ity raharaha ity ny teo anivon'ny Fitsaràna omaly hariva... ♦ Misy andro ratsy miforona ao atsimon'ny lakandranon'i Mozambika. Voasokajy ho "depression tropicale" izy io, tombanana hitombo hery ka ho lasa rivo-doza anio alina...

Ny manjanaka Portugais dia nametraka paik'ady sy fanjanahana ara-tsaina, fa ny Frantsay dia fanjanahan-tany no nimasoany tamin'ny alalan'ny fandrobàna sy famonoana olona, fambaboana tany. 182 taona no nanjanahan'ny Frantsay ny mponina tao Taolagnaro. 376 taona lasa izany niorenana ny Egilse tao Taolagnaro. Tsy ny Frantsay rehetra nalefa namita iraka teto Madagasikara no ratsy fa nisy maromaro izy ireny no nitondra soa ho an'i Madagasikara. Nanombohan'ireo mpanjanaka ny fidirana teto Madagasikara ny fanorenana toeram-piantsonana lehibe teo amin'ny nosy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...