6 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)
♦ Mandeha ny resaka fa mety hisy ny fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimiera, hanovana ny fehezan-dalana momba ny zom-pirenena. Kajikajy pôlitika izany, hoy ny antoko Fiombonana, fa ny hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana izao no tokony ho laharam-pahamehana... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny CNaPS, ny Teraky ny Faritra Atsimo Atsinanana. Nanao fanambarana izy ireo, nilaza fa tsy mitombina ny fanenjehana azy, ary misy fitongilanana ny fampiharana ny lalàna...
Boky Jenezy (Jen. 22, 1-19)
Tamin’izany andro izany,
nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe:
“Ry Abrahama ô!”
Ary hoy izy:
“Inty aho.”
Dia hoy Andriamanitra:
“Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.”
Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany,
naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany,
ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.
Nony tamin’ny andro fahatelo,
nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy
dia nahatazana ilay toerana,
dia nilaza tamin’ireo mpanompony i Abrahama nanao hoe:
“Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo,
fa izahay sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka,
vao hiverina eto aminareo indray.”
Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
ka natataony an’i Isaaka zanany,
ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany,
dia niara-nandeha izy mianaka.
Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:
“Dada ô!”
Ka hoy ny navaliny:
“Inty aho, anaka.”
Dia hoy i Isaaka:
“Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto,
fa izay zanak’ondry atao sorona dorana kosa no aiza?”
Hoy ny navalin’i Abrahama:
“Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry
hatao sorona dorana, anaka.”
Dia niara-nandeha izy mianaka.
Nony tonga teo amin’ny toerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely;
nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany,
ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:
“Ry Abrahama! ry Abrahama ô!”
Ka hoy ny navaliny:
“Inty aho.”
Dia hoy ny Anjely:
“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,
ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao ho Ahy.”
Ary nanopy maso i Abrahama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasingotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io toerana io.
Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe:
“Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo.”
Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra,
ka nanao hoe:
“Efa nianiana tamin’ny teniko Aho, hoy ny Tompo,
fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao, ho Ahy,
dia hanisy soa anao Aho,
hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny teniko ianao.”
Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama
ka niainga izy ireo niara-nandeha nankany Bersabea.
Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 114, 1-2. 3-4. 5-6. 8-9
Izaho tia ny Tompo,
noho Izy mandre ny feoko mihanta:
itongilanany sofina aho
amin’ny andro iantsoako Azy!
Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho,
efa niantontàn’ny haraton’ny Seoly,
tojo fahoriana sy ahiahy,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.
Ny Tompo antra sy marina;
ny Andriamanitray mahay mangoraka;
ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra:
osa aho ka novonjeny.
Eny, Ianao no manafaka
ny aiko amin’ny fahafatesana,
ny masoko amin’ny tomany,
ny tongotro amin’izay manafintohina!
Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo,
ary fanazavana ny lalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa,
dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy
nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy.
Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa,
dia hoy Izy tamin’ilay malemy:
“Matokia anaka,
fa voavela ny helokao.”
Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe:
“Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.”
Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe:
“Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe:
‘Voavela ny helokao’,
sa ny manao hoe:
‘Mitsangàna, ka mandehana?’
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona
manam-pahefana ety an-tany hamela heloka”,
dia hoy Izy tamin’ilay malemy:
“Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”
Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.
Nony nahita izany ny vahoaka,
dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra
noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Samy manana ny heviny sy ny heveriny ahatanteraka ny fampandrosoana an'i Madagasikara pôlitika hoy ny loholon'i Madagasikara Erick Besoa, kanefa tokony ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy hatrany no tsinjovina... ♦ Tsy hisalasalana araka izany ny firosoantsika amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity taona ity, hoy ny governoran'ny Faritra Analanjirofo... ♦ Voasambotry ny zandarimaria Ambohidratrimo, tamin'ny alatsinainy 3 jolay teo, ny olona 4 voarohirohy amina raharaha fisolokiana sy fivarotana laza adiny BEPC hosoka... ♦ Hanomboka ny 4 septambra ho avy izao ary hifarana ny 28 jona 2024 ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, araka ny tetiandro navoakan'ny MEN, omaly...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco