♦ Atahorana ny ahafahan'ireo olona manana zom-pirenena roa, milatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena, raha ny mason-tsivana navoakan'ny HCC no jerena, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Miandry fandaharan'asa amin'ny mpitantana vaovao, ireo mpiasan'ny CNaPS, mba tsy hisian'ny fanaovana tantely afa-drakotra ny tahirim-pirenena intsony... ♦ Notafihan'ny jiolahy androany maraina ny fiara iray fitateram-bahoaka mampitohy an'Ivato sy Vasakaosy. Nambaran'izy ireo basy sy antsy lava lela avokoa ireo mpandeha tao anatiny, raha ny fitarainan'ny mpamily...
♦ Hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka ho an'ny ankizy, manentana azy ireo mba ho ankizy apôstôlin'ny ankizy marina tokoa, eo amin'ny lafim-piainana rehetra... ♦ Manolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an'ireo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny JNE-3, notontosaina teto Antananarivo, ny Vikera Jeneraly eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Hanatanteraka ny "pèlerinage" nasiônaly ny avy eo anivon'ny "Aumônerie militaire"...
Hivaha tsy ho ela ny olan'ireo mpiantsehatra amin'ny fiompiana akoho manatody lava sy ny fakàna nofo amin'ny fahitàna ny katsaka foto-tsakafon'ny akoho ompian'izy ireo sy ny halafosany.
♦ Misy lesona tsara azo tsoahana manoloana ny fijoroan'ireo miaramila any Niger, hoy ny antoko Otrikafo. Tsy voatery amin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana anefa no hanehoan'ny samy Malagasy izany... ♦ Nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, fa efa manomboka mihena ny tsy fandriam-pahalemana. Azo porofoina amin'ny antontan'isa izany, raha ny fanazavany... ♦ Tafidina hatramin'ny 1000 na 800 Ariary ny vidin'ny lojy iray kilao any Ambatoboeny, hoy ireo mpamboly...
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco