Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 34, 4b-6. 8-9)

Ny Tompo Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra.

Tamin’izany andro izany, dia nifoha maraina koa i Môizy,
niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’ny Tompo azy;
nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa.
Dia nidina tao anatin’ny rahona ny Tompo ka niara-nijanona taminy teo,
sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh! Tompo!
Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe:

“Izaho no Iaveh Tompo,
Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana”.

Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy,
dia niankohoka, nanao hoe:

“Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo,
aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity.
Avelao ny heloka amam-pahotanay,
ary raiso ho lovanao izahay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56.

Deraina sy asandratra mandrakizay.

Isaorana ny Tompo Andriamanitry ny razanay:

Ny Anaranao masina be voninahitra:

Ianao ao an-Tempolinao masina:

Ianao eo ampiketraham-piandrianana

Isaorana Ianao mahatsinjo ny hantsana:

Isaorana Ianao eo ambony kerobima:

Ianao eny amin’ny habakabaky ny lanitra:

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 13, 11-13)

Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina.

Ry kristianina havana,
mifalia,
miezaha ho lavorary,
mifanalà alahelo,
miraisa hevitra,
mihavàna tsara,
dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny olomasina rehetra.
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo,
sy ny fitiavan’Andriamanitra,
ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)

Nirahin’Andriamanitra ny Zanany mba hamonjy izao tontolo izao amin’ny alalany.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’i Nikôdema hoe:

“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao:
nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina:
fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ezaka no hatao hanampiana sahady ny tovovavy hiatrika ny ho reny sy ho renim-pianakaviana. Manoloana ny fahasahiranan'ny reny, amin'izao fotoana izao, dia mampanahy ny fiatrehan'ireo tovovavy ho reny, aoriana ao, ny fiainana. Raha hisafidy ny hoe reny ny tovovavy iray dia tokony ho fantany izay manodidina ny fananahana. Ny reny dia ireo niteraka sy nanabe ara-batana ; ny renim-pianakaviana kosa ireo manabe ny saina sy ny fo, ny fanahy, ny maha olona manontolo. 

♦ Mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Etazonia sy i Madagasikara ny hetsika "One Country, One Day" izay notanterahina omaly... ♦ Mpianatra miisa 68.000 no niatrika ny CEPE Katôlika, omaly tany amin'ireo diôsezy rehetra manerana ny nosy... ♦ Mankalaza ny herinandro eran-tany ho an'ny fanabeazana i Madagasikara nanomboka omaly, hatramin'ny 2 jona izao... ♦ Manohy ny fitsidihana ataony any Afrika ny Ministra Rosiana misahana ny raharaaham-bahiny Sergeui Lavrov. Tany Burundi izy omaly...

Ny fifampizaràna dia endrikin’ny fiaraha-miaina sy firaisakina. Araka fampianaran’ny Eglizy katolika momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy ao amin’ny laharana 328: ny harena na dia ara-drariny aza ny fanana azy, dia mitana mandrakariva ny hoe natao hoan’ny olona rehetra izy. Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...