♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny anjara adidiny, amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ka nitsidika biraom-pokotany tao amin'ny Boriboritany faha-4, izy sy ireo mpiara-miasa aminy androany... ♦ Niverina ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est), na ny fitaterana entana, na ny fitaterana olona. Nitokana izany androany ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Tsy misy olana ara-tsolika, fa noho ny fanatsarana ireo fitaovana fitsinjarana herinaratra ato anatin'ny Tabazotra Iraisan'Antananarivo no mahatonga ny fatapahan'ny herinaratra misy amin'izao fotoana izao, hoy ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo...
♦ Ankalazaina ny 27 mey 2023, ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie, Jean Marie Vianney, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, iombonan'ny Arsidiôsezy Atsinanana... ♦ Nanatanteraka fiofanana tao anatin'ny telo andro tao Befotaka, ireo Kômity mpanatanteraka, Diôsezin'Ambanja MDMK-CVX... ♦ Nitombo iray indray ny isan'ny fiangonana iandraiketan'ny fikambanan'ny Pretra Karma any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
Manohy ny dingana fampanaraham-penitra an'ireo ivon-toeram-piofanana mivondrona ao aminy ny tambazotran'ny Mpampiofana momba ny Fambolena sy ny eny Ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARMADA. Manampy an'ireo ivon-toeram-panofanana, ny mpampiofana, ireo tantsaha mpanao tolo-draharaha momba ny fanofanana ahafahan'izy ireo misitraka ny taratasy manamarina izay fananàny traik'efa izay amin'ny alalan'ny firosoana amin'ny Fankatoavana ny Azo tamin'ny Traik'efa na ny VAE ity rafitra ity ankehitriny.
♦ Efa am-perinasa ankehitriny ireo Malagasy mpikambana amin'ilay rafitra hanao ny fitsirihana ny rafi-baiko sy ny lisitry ny ho mpifidy, araka ny fangatahan'ireo mpisehatra pôlitika sy ny fiarahamonim-pirenena... ♦ Haharitra adiny valo ny fahatapahan-jiro, manomboka anio sy rahampitso ary amin'ny alarobia 31 mey... ♦ Manomana seho miavaka ho famaranana ny faha-30 taona nijoroany ny antoko mpihira Amboarampeo Akon'ny Lanitra, ao amin'ny EKAR Masimbavy Terezy tao Avila, Bemasoandro, amin'ny alahady izao...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco