Manoloana ny asa fahariana : Andriamanitra dia niasa an-kalalahana tamin'ny fahariana an'izao tontolo izao, tsy nisy endrika fanandevozana. Niseho tamin'ny fisiana ny asan'Andriamanitra ary lavorary. Ny fisiantsika dia fahalavorariana, tamin'ny alalan'ny asa-tanana no nanehoan'Andriamanitra fahariana dia indro ny fotaka novolavolaina nasiana fofon'aina. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

20 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)

♦ Nikorontana ny fizotry ny fanadinam-panjakana Bakalôrea, nanerana ny nosy androany tolakandro. Nihemotra ny adina Tantara sy Jeôgrafia, satria nosoloina ny laza adina efa vonona, noho ny ahiahy amin'ny fisiana "fuite de sujet"... ♦ Hidina an-dalambe ny RMDM, hanohitra ny fisian'ny vahiny mitondra ny firenena, manoloana ny resaky ny Filoha ny alahady teo, momba ny fanekeny fizakana zom-pirenena frantsay... ♦ Latsaky ny 77%, ny tahan'ny fahantrana eto Madagasikara ankehitriny, raha ny kajikajin'ny INSTAT. Vinavinaina ho 4% kosa, hoy ny avy amin'io Ivontoerana io, ny fisondrotry ny harin-karena faobe, amin'ity taona 2023 ity...

♦ Raha tsy misy ny fiovana dia rahampitso no hamoahan'ny CENI, ny rejistry ny fifidianana nasiônaly ka ho fantatra aorian'izay ny vokatry ny AUDIT nataon'ny tompon'andriakitra niaraka tamin'ny OIF... ♦  Amporisihina ireo mpandraharaha Japôney mba hampiasa vola eto Madagasikara ary hiara-hanangana ny antenimieran'ny varotra, iraisana amin'ny mpandraharaha Malagasy, mba hampivelatra bebe kokoa hatrany ny fiaraha-miasan'ny roa tonta. Andro faharoa amin'ny fikaonan-doha ny anio... ♦ Kendrena ho matihanina sy mendrika ary ho kanto tokoa ny seho ara-kolon-tsaina hatao amin'ny lanonam-panokafana ny lalaon'ny nosy ka tonga eto amintsika ireo tera-tany Sinoa matihanina, hanampy amin'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...