03 jona — Tamin’ny fotoana mbola nanjakan’ny fanompoana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fihinana olona moa no tonga tao Ouganda i mompera Lourdel sy Ivinhac mba hitory ny Vaovao Mahafaly ary nonome azy ireo alalana malalaka ny mpanjaka Mudisha tamin’izany fotoana izany.
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny. Ny Eglizy dia fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, handraisana famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Niditra an-tsehatra, ary niantso fitoniana manoloana ny fanoherana ny fanendrena Sefo Fokontany nitranga tao amin'ny Distrikan'i Vohipeno, ny Préfet an'i Manakara... • Miatrika ny fanadinana BEPC Katolika nanomboka androany, ny mpianatry ny Sekoly Katolika ambaratonga faharoa, avy amin'ny Diosezy 22 manerana ny nosy... • Nahitana fihenana hatrany amin'ny 20 % ny vokatra lojy mainty maso, ho an'ny Faritra Boeny...
♦ Raikitra ny fisamboran'Olom-pirenena maneho hevitra amin'ny Onjam-peo ao Vohipeno ny sabotsy teo. Resaka fanoherana fanoloana lehiben'ny Fokontany no anton'izany... ♦ Tokony atao ara-dalàna, raha tian'ny filoha handray anjara amin'ny fitantanana firenena ny zanany, hoy ny Pasteur Edouard Tsarahame... ♦ Nosokafana ny maraina teo ny fanamarihana ny fetim-pirenena. Mitaky fandavan-tena sy fitiavan-tanindrazana ny asa fampandrosoana hoy ny filoham-pirenena, nanatrika izany lanonana izany... ♦ Mahazo vahana indray ny fifindrà-monina antsokosoko avy any Frantsa mankany Royaume-Uni, maherin'ny 1.100 ireo mpifindra-monina...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco