Zoma 7 aprily 2023 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)
♦Nasiam-panovàna ny dingana arahina amin'ny fanatanterahana ny fampiasana ny teti-bolam-panjakàna, araka ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Repoblika, nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Mandeha ny feo ankehitriny amin'ny mety hanoloana ho PDS ny ben'ny tanàna ao Fianarantsoa. Tsy miombon-kevitra amin'izany ny solombavambahoaka Seth Rajoelina... ♦ Mpandraharaha ny fonja miisa 03 sy voafonja miisa 03 no nampidirina am-ponja vonjy maika tamin'ilay fahaverezam-basy tao Vavantenina... ♦ Hamangy fonja iray fitaizana sy fanarenana ny tsy ampy taona ao amin'ny tanàna kely any Rome, anio hariva, ny Papa François...
Ny atelon'andron'ny Paka dia manomboka ny Alakamisy. Telo andro mialohan'ny nahafatesany i Jesoa dia naneho zavatra maro : Ny alakamisy Masina no namoronany ny Sakramentan'ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny Filaharana. Ny alakamisy ihany koa dia fetin'ny pretra izay tandindon'ny fanorenena ny Sakramentan'ny Filaharana. Katesizy momba ny Alakamisy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 6 aprily 2023 — Alakamisy Masina — Hariva — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco