♦ Manatanteraka fivahinianana Masina any Jerosalema ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny ankohonany. Hihaona amin'ny Filoha Israeliana ihany koa izy mandritra izao diany any izao... ♦ Atahorana ny fihenjanan'ny toe-draharaha politika ato ho ato eto Madagasikara hoy ny prefet an'Antananarivo Ny jeneraly Ravelonarivo Angelo. Antony nandraisan'ny Fanjakàna fepetra tsy hitaran'izany... ♦ Basket ball, hanoman-tena hiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Hongrie amin'ity taona ity ny ekipam-pirenena Ankoay lehilahy latsaky ny 19 taona. Hihazo an'i La-Frantsa rahampitso ny delegasiôna malagasy...
♦ Miantso ny mpanao politika hanaja ny fitoniana amin'izao ankatoky ny Paka izao ny vovonana "Isika Fikambanana Miaradia amin'i Andry Rajoelina" na ny IFI. Tsy nisy ny fahanginana ara-politika tamin'ity taona ity hoy ny antoko Fiombonana noho ny fanapahan-kevitry ny Fanjakàna ihany... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny fahasalamana. Miantso ny mpamokatra hamokatra sakafo ara-pahasalamana ny fikambanana Malagasy Ela Velona na ny "Maeva"... ♦ Natolotra ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramilison Harifidy teny Anosy, omaly ny masomboly fototra ahafahana mamokatra ny katsaka safiotra eto Madagasikara...
Ny Sabotsy Masina dia misy fankalazana miavaka, fankalazana an'i Jesoa nandresy ny fahafatesana. Misy lafiny telo ny fankalazana : Voalohany Kristy Fahazavana aseho amin'ny alalan'ny Afo Vao sy Jiron'ny Paka ; faharoa Kristy Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Vakiteny Masina ; ny farany Kristy Loharanon'Aina tandindon'ny Batemy. Katesizy momba ny Sabotsy Masina, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Sabotsy 8 aprily 2023 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy — Taona A — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco