20 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)

♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Mbola taraiky amin'ny fampiasana ireo teknôlôjian'ny fifandraisan-davitra i Afrika, ka antony nanaovana ny hetsika DDA na ny Fikaonan-doha fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra aty Afrika. I Madagasikara no mampiantrano izany... ♦ Vola 40 tapitrisa Dolara no hamatsian'ny Banky Iraisam-pirenena an'i Madagasikara amin'ny tetikasa Lead, hanaparitahana fitaovana hahazoana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masonadro...

♦ “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona”. Io no lohatenin'ny hafatra izay natolotry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny niatrehan'izy ireo ny Fivoriambe sy ny laretirety, izay nanomboka ny 1 mey 2023... ♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, androany 19 mey 2023, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo...

Hotanterahina ny 02 jolay 2023 ny fanamasinana ho Eveka an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, koa manentana ny vahoaka ao Menabe mba hitondra am-bavaka azy ny Evekan’i Morondava, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...