Mety hahazo ny olona rehetra — na zaza, na olon-dehibe — ny aretin-tenda. Ny fanafihan'ny otrikaretina na tsimokaretina, na allergie no mahatonga azy. Fa mety ho fitrangan'aretina hafa ao amin'ny vatana koa ny aretin-tenda. Izay no ilana ny fanatonana mpitsabo. Ny kambontenda dia taova misy ao amin'ny tenda. Ilaina amin'ny fiarovana ny tenda ary mpamokatra hery fiarovana izy. Samy manana ny habeny ny tsirairay. Raha manelingelina dia ilaina ny manatona mpitsabo, izy no mahalala na tokony esorina na tsia ny kambontenda.
♦ Natomboka omaly ny fizaran'ny CENI ny tambin-karama manokana ho an'ireo rehetra misehatra ao anatin'ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasiônaly, teto Antananarivo... ♦ Tontosa ny fihaonana teo amin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fanjakana malagasy, amin'ny alalan'ireo minisitera manana tetik'asa miaraka amin'ity mpamatsy vola ity... ♦ Hiray hina hiaro ny tontolo iainana ireo tantsaha mikambana ao amin'ny Vondron'ny Tantsaha Malagasy, na ny CPM. Mahatsapa ny voka-dratsy ateraky ny fiovan'ny toetr'andro izy ireo...
♦ Nahazo Eveka Mpanampy ny Diôsezin'i Morondava. Notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava, i Mompera Jean Nicolas Rakotojaona, Pretra diôsezanina avy amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nanolotra vola 40 tapitrisa Dolara hamatsiana ny tetik'asa Lead, ho an'i Madagasikara, ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy omaly hariva, tetsy amin'ny CCI IVato, ny sary famantarana sy ny hira fanevan'ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11, hampiantranoin'i Madagasikara amin'ny volana aogositra ho avy izao...
Tsy misy olona afaka hitoka-monina marina. Marina fa misy ny safidy hitoka-monina, endri-piainana, mitoetra irery. Mitombo ny filana fototra, tsy maharitra tena irery fa mila ny hafa : filàna fitiavana izay miseho amin'ny endrika samihafa. Tsy maintsy misera amin'ny mpiara-belona ny olona : miatomboka ao amin'ny ankohonana ary mivelatra amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina - SDB.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco