♦ Neken'ny Papa François ny taratasy fametraham-pialan'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, hitsahatra amin'ny fitantanana ny diôsezin'i Miarinarivo. Voatendry handimby azy vonjimaika Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Tsy maintsy hisy ny ady hevitra eny Tsimbazaza eo amin'ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Ankizy tsy ampy taona miisa 10.000 no miasa amin'ny fitrandrahana Eladrano any amin'ny Faritra Anôsy, Androy ary Atsimo-Andrefana. Nampahafantarina omaly ny vokatry ny fanadihadiana momba izany, niarahana tamin'ny tetik'asa JOFA ACTE...
Tena ilaina hoy ny Papa ny fahaiza-miteny amin'ny fo, mba hikoloana sy hivoizana ny kolontsain'ny fihavanana, indrindra any amin'izay misy ady. Mila olona mahay miserasera vonona ho amin'ny fifanakalozan-kevitra isika, vonona hirotsaka amin'ny fandrisihana hanafoanana manontolo ny fitaovam-piadiana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
13 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)
♦ Neken'ny Papa François ny fametraham-pialan'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Notsipahan'ny HCC fanindroany indray, ilay tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan'ny Oniveristem-panjakana sy ny foibem-pikarohana nasiônaly... ♦ Tsy maintsy hisy ny fihaonana arahana ady hevitra eo amin'ny Solombavam-bahoaka sy ny mpikamban'ny Governemanta, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, androany...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco