♦ Nanoratra tantara indray ny Barea ny faran'ny herinandro teo. Tafakatra amin'ny dingan'ny ankatoky ny famaranana amin'ny CHAN 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy,  hihaona amin'i Sénégal rahampitso... ♦ Mitaky ny handravàna ireo Antenimiera mpanao lalàna sy hanovàna ny Governemanta ny Vondrona Pôlitika hafa Mira na ny VPHM. Tsy atokisan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena intsony ireo andrim-panjakàna ireo, hoy izy ireo, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tafakatra 27 ireo namoy ny ainy, olona miisa 21 mbola tsy hita popoka manerana ny nosy, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Cheneso. Olona maherin'ny 84.000 no tra-boina vokatr'izany, raha ny tatitra farany avy amin'ny BNGRC...

Ny fitoriana ny "Vaovao Mahafaly" na ny "Evanjely" amin'ny teny frantsay dia hoe "Evangélisation" filazana na fanambarana ny Evanjely amin'ny olona sy amin'ny voahary manontolo izany. Ny fampitana ny Vaovao Mahafaly amin'ny olona ataon'ny Eglizy dia miseho amin'ny fomba maro arakaraky ny toerana sy ny fomba amam-panaon'ny olona hitoriana. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Alatsinainy 30 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

Ny Konsily tao Konstantinopla IV (869-870) no nanamelohana an’i Fazio noho ny sisma nataony, nohamafisina tamin’izany ny fampiasàna ireo sary amin’ny fanompoam-pivavahana. Nasiana tsindrim-peo bebe kokoa ny maha Ray iombonana ny Evekan’i Roma, dia ny Papa ray masina izany. Ny Konsily Lateranezy I (1123) tao Roma kosa no nitaky ny zon’ny Fiangonana ny amin’ny fifidianana sy fanendrena ary fanamasinana ireo ho Eveka, mifanandrina amin’ny fampiketrahana ireo mpanjaka (lahika). Nohelohina ho zary herezia koa ny simonia sy ny tokatranomaso ataon’ireo mpandraharaha masina sasany.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...