♦ Tontosa androany maraina tao Vatican ny fandevenana ny Papa Emérite Benoît XVI. Nipetraka ho tantara satria tsy mateti-pitranga ny fisian'ny Papa iray mandevina ny Papa izay nodimbiasany toy ny nisy androany... ♦ Manoso-kevitra ny hanatsaràna ny lalàm-pifidianana amin'ny alalan'ny fakan-kevitra isam-paritra ny KMF/Cnoe. Kendrena hatolotra holanian'ireo Parlemanta mpanao lalàna amin'ny volana mey ny volavolan-dalàna voaravona amin'izany... ♦ Efa tena mafy ny teritery matoa nametram-pialàna ny Governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena iray eo anivon'ny CREM. Nambarany fa tsy te ho tratra farany amin'ny fakam-bola tsy mety eo anivon'ny BFM Andriamatoa Henri Rabarijohn...
Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Tontosa omaly teny amin'ny Ekar Antanimena ny Sorona Masina nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI. Niavaka tamin'ny fananany finoana, fanantenana ary fitiavana i Papa Emérite BenoîtXVI, ary teôlôjianina lehibe hoy ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa, nandritry ny Sorona Masina omaly... ♦ Neken'ny filan-kevitry ny ministra ny fametraham-pialan'ny governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Efa voatendry ny handimby azy... ♦ Hotanterahana anio any Vatican ny Sorona Masina ho tarihin'ny Papa François, hitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI sy hanaovam-beloma azy farany, aorian'izay ny fandevenana...
Ny fanirian’ny Fiangonana dia ny hahombiazan’ny finoana ao amin’ny tsirairay amin’ny alalan’ny ezaka ataony sy fanohizana ny zavatra nataon’i Jesoa teto an-tany tamin’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fampitana izany tamin’ny Apostoly sy ny mpandimby azy. Fiangonana kely ao an-trano ny fianakaviana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an'ny olombelona ny finoana, indrindra ho an’ny mpino. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco