♦ Maherin'ny 50 ireo mpianatra misedra olana amin'ny trano fonenana nitranga teny Vontovorona androany, saika ireo mpianatra nandeha nanao fialantsasatra no tena lasibatra tamin'izany... ♦ Nanamafy ny tsy fanekeny ny firafitry ny CENI ankehitriny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanao pi-maso amin'ny sehatra iraisam-pirenena koa izy manoloana ny fiatrehana ny fifidianana amin'ity taona ity... ♦ Ilaina ny fanovàna eto amin'ny firenena mba tsy handova fahalovana ireo taranaka fara mandimby, hoy ny Filoha nasiônalin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga...

♦ Hanana solontena hiatrika ny fandevenana ny Papa Emerite Benoît XVI, amin'ny alakamisy izao ny Fiangonana katôlika eto Madagasikara. Hihazo an'i Roma rahampitso hanatrika izany ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ 12 isa eo ny andro hitsaharàna kely amin'ny asa ho an'ity taona 2023 ity. Mitontona andavanandro avokoa ireo, raha jerena ny tetiandro ho an'ny taona vaovao... ♦ Nirehitra androany maraina ny ampahany amin'ny tranon'ny mpianatra Bloc-15 eny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Nijoalajoala ny afo, ka tsy nisy noraisina intsony ny entan'ireo mpianatra voakasik'io firehetana io...

Ny Batemy : fankatoavana ny Ray sy ny maha olona. Ny Batemy noraisina dia mahatonga ny lahika hanana anjara toerana eo amin'ny Eglizy sy ny fiaraha-monina. Ny Batemy no tandidon'ny fiombonana ao amin'ny samy lahika na dia ao anaty sampana maro mandrafitra ny Eglizy aza, ary mandrisika ny lahika handray anjara amin'ny asam-pamonjena. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Alatsinainy 2 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 19-28

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...