♦ Ao amin'ny "ankohonana" ihany, manomboka eo amin'ny faharoa taonan'ny zaza no ampidirana ao an-tsainy ny fanabeazana momba ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny olon-dehibe, eo koa ny fampiharana ny famaizana kely raha toa manao fadisoana izy. ♦ Ny sehatra rehetra indrindra ny sekoly isan'ambaratongany no tokony hampatsiahy ny tombontsoa azo avy amin'ny fanarahan-dalàna, ny fitsipi-pifehezana ary ampiharana ny famaizana efa nohazavaina taminy. ♦ Ny fiaraha-monina, ny firenena no tokony hampahafantatra sy hanabe amin'ny fomba isan-karazany ny fitsipika, ny lalàna, ny fepetra ary mampihatra ny famaizana voafaritra. Ampahafantarina ny rehetra ny vokatry ny fampiharana ny famaizana.

♦ Amperin'asa manohy ny asan'ny birao teo aloha ny birao voavaon'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora na ny VPKT. Tontosa teny amin'ny CNPC Antanimena ny fampitan-draharaha tamin'ny birao teo aloha... ♦ Hampihena ny fahasahiranan'ny mpiasam-panjakàna mikarakara ny antotantaratasy ilaina ny rindram-baiko vaovao AUGURE Compte Agent. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly tetsy amin'ny CCI Ivato ny fampiasana azy... ♦ Natolotra an'ireo mendrika tamin'ilay fifaninana ho an'ny taranja Matematika nokarakarain'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny loka ho azy ireo. Mpianatra avy any Fenoarivo-atsinanana no nahazo ny laharana voalohany. Tao anatin'ny folo voalohany ny Lycée Saint Louis any Betafo...

21 desambra — Teraka ny 8 mey 1521 tao Nimègue, Pays-Bas, i Pierre Canisius. Pierre Kanis no anarany fa antsoina koa izy hoe Canisius satria mitovy ihany ny Kanis sy ny Canisius. Jacob Kanis no rainy ary i Ægidia van Houweningen no reniny. Mpanan-karena tao an-tanana ireo ray aman-dreniny ireo. Fotoana fohy tao aorian'ny nahaterahan'i Pierre no nodimandry ny reniny.

Mba haha-iray tsy mivaky na dia ny fivondronan'ny Eveka aza, dia nofidian'i Jesoa Kristry i Masindahy Piera hitarika ireo Apôstôly sisa rehetra. Najorony izy ho loha sy fototra, mandrakizay sy hita maso, ho an'ny finoana sy ny fiombonan'ny Eglizy manontolo. Araka izay voalazan'ny Soratra Masina : Ianao no Piera Vato, eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko... Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...