Ireto ny fahavalon'ny fifampiresahana ao an-tokantrano :  fitohanana, tahotra, fiahiahiana, fankahalana, toe-tsaina manafinafina, fanamelohantena mialohan'ny fotoana, fahasahiana. Ny fahasahiana dia manimba ny fifampiresahana ao an-tokantrano... Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Zoma 7 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26

♦ Nampikatso ny raharaha eny anivon'ny fitsarana, noho ny fitokonany androany, ireo mpiraki-draharaha manerana ny nosy. Niveri-maina ireo manan-draharaha, naverina am-ponja ireo voafonja tokony hotsaraina, ho an'ny teny amin'ny Fitsarana Anosy... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any atsimon'ny nosy. Ahiana ho mafy noho ny hatramin'izay ny zava-misy, efa vidiana 3000 Ar ny rano iray bidon, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Ambovombe Androy... ♦ Olona 5 no maty, 13 naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo anelanelan'Irondro sy Manakara androany vao maraimbe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...