10 aogositra — Teraka tao Huesca tao Espagne ny taona 210 i Laurent. Orence no anaran-drainy ary i Patience no reniny, mba hafahany mandalina sy mampitombo ny fahalalany momba ny fombam-pivavahana dia nalefa nandranto fianarana tany Saragosse izy ary tany no nahafantarany an’i Sixte II talohan’ny naha papa azy.

Rariny sy hitsiny ny Papa Fransoa sy ireo Papa maro nifandimby teo alohany raha hiresaka ny fampianarana momba ny fianakaviana satria ity farany dia rafitra ifotony hanabeazana sy hiofanana. Ny asa fivelomana dia mampiavaka ny olombelona, izay ilaina amin'izao andro sarotra izao. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Alarobia 10 aogositra 2022 — Masindahy Laurent, diakra martiry — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26

♦ Nisaotra sy nankasitraka ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Handeha tsy ho ela any Pérou mantsy izy... ♦ Zava-dehibe ho an'ny Filoham-pirenena ny fiaraha-mientana amin'ny tanora sy ny fanohanana ny asan'ny Fiangonana FLM, ka antony nanatrehany ny fanokafana ny Zaikabe faha-21 an'ny Firaisan'ny Kristianina Tanora Loterana Malagasy, tany Mahajanga, androany... ♦ Vokatry ny pôlitikan'ny fitsitsiana dia nahavita nitahiry 1300 milara ariary ny fitondram-panjakana, noho ny nanafoanan ireny rantsa-mangaika samihafa teny amin'ny Minisitera ireny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...