♦ Samy tsy nahatohitra ny mpifanandrina aminy omaly ny ANKOAY. Hihaona amin'ny ANKOAY sokajy lehilahy amin'ny ampahaefadalana rahampitso i Guinée... ♦ Efa manomboka hita taratra ny toerana misy ireo voafonja roalahy tafatsoaka tao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy. Efa tratra ilay voafonja iray antsoina hoe Mainty ary ho maro ireo olona handalo fanadihadiana manoloana ny fandosirany tao amin'ny fonjakelin'ny Polisy tao Toamasina... ♦ Very olona atao fakan-tahaka ny malagasy, hoy ny Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy na ny RDS. Tsy tokony araraotina anefa ny tsy fandriampahalemana miseho lany ankehitriny... ♦ Naneho ny hatezerany manoloana ny fisavàn'ny FBI ny tranony any Floride ny filoha teo aloha amerikana...

09 aogositra — Teraka tao Breslau tao Allemagne ny 12 oktobra 1891 i Masimbavy Thérèse Bénédicte de la Croix. Edith Stein moa no tena anarany ary jody ny ray aman-dreniny.

Ny olombelona dia miavaka noho ireto antony ireto : ny fananana fihetseham-po sy ny hafaliana lehibe raha misy aina vaovao teraka eto an-tany ; raha misy zavatra mampijaly ny aina dia mihetsi-po malahelo ary ory tokoa ny olona manoloana ireo namana voan'izany ; raha misy fahafatesana dia mahatsiaro malahelo ary maneho fisaonana mihitsy. katesizy momba ny hasarobidin'ny aina, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Talata 9 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 1-5. 10. 12-14

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...