Sabotsy 23 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

♦ Miangavy ny fitondrana hanaiky hifampidinika araka ny antson'ny FFKM, ny Hery Pôlitika Mitambatra, raha nanao fanambarana androany... ♦ Mitaky ny hamerenana ny fizarana ny tamberim-bidy izay arotsaky ny orinasa Ambatovy ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ho an'ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana izay tokony hisitraka izany, ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Oniversite 13 no namboarin'ny fitondram-panjakana tao anatin'izay telo taona sy tapany izay, ary sekoly manara-penitra miisa 931 no naorina...

♦ Diakra efatra miarahalahy avy amin'ny Fikambanana Karma no nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, ny 17 jolay 2022... ♦ Hotsofin-drano ny alahady 24 jolay 2022 ny tsangambaton'ny taom-bolamenan'ny CEPAL... ♦ Niantso ny rehetra hihaino ny feon'ny voahary ny Papa François amin'ny Andro eran-tany hivavahana ho fiarovana ny voahary...

♦ Tany tan-dalana i Madagasikara, ka tsy maintsy handray andraikitra manoloana ny fihetsika rehetra mety hiteraka korontana, ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Préfet an'Antananarivo, manoloana ny hetsika hataon'ny RMDM rahampitso eny amin'ny Magro... ♦ Gaboraraka ny fitrandrahana volamena, any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Betsika Ambilobe. 25 amin'ireo mpitrandraka sy mpanangom-bokatra miisa 200 ihany no ara-dalana... ♦ Hotanterahana any Antsirabe ny lalao Afrobasket 2022, sokajy vehivavy latsaky ny 18 taona raha toa ka eny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena ny sokajy lehilahy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...