Amin'ny maha-reny ny fiangonana dia manabe sy mampita aina ny fiangonana, fa indrindra manoro ny zanany hitory ny Evanjely. Ao amin'ny Laudatu'si dia mirona amin'ny fampandrosoana kokoa ny hafatra ka amin'izany dia hoe : "raha tiana ny hampandrosoana dia omena hasina ny olona tsirairay avy, ary tokony hipaka amin'ny olon-drehetra izany tsy mijery finoana, fiaviana na fahaizana". Farany dia tompon'antoka amin'ny fampandrosoana mba ho lovain-jafy ny olona tsirairay, manaraka ny fampianaran'ny fiangonana miaraka amin'ny fiaraha-monina sy ny fanjakàna.
Manoloana ny fivoaran'ny tontolon'ny serasera sy ny filazam-baovao amin'ny alalan'ny teknolojia dia tena ilaina ny fahaizana mihaino. Ny olona maro izay notsaboina momba ny ratra-po mpahazo ny olombelona sy ny filana dia noho ny faniriana lalina te-hohainoina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 3 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19
♦ Tranga fakana tovovavy roa farafahakeliny no nisy teto Antananarivo tato anatin'ny herinandro. Nisy iray hafa koa niseho androany. Nanao fanambarana ny Polisim-pirenena, manoloana izao tranga izao... ♦ Tsy manaiky ny hanaovan antsojay ny namany, ny Sendikàn'ny mpiraki-draharaham-pitsarana. Mangataka fanadihadiana izy ireo, manoloana ny raharaha mampifanolana mpiraki-draharaha sy mpitsara iray any Toliara... ♦ Mpianatra hanala fanadinana CEPE maherin'ny 8.000 ao an-drenivohitra no hisitraka Koba Aina sy Ferrozinc isan'andro, manomboka androany. Natomboka teny amin'ny EPP Antanimena ny fizarana izany...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco