Nahomby amin'ny ankapobeny ny tetik'asa niarahan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO sy ny governemanta malagasy notanterahana tany amin'ny Faritra Sava. Tetik'asa nampihena ny fifindra-monin'ny mponina mankany ivelany indrindra fa ny vehivavy.
♦ Trano fonenana miisa efatra alina no kendren'ny fitondram-panjakana hovitaina ato ho ato, raha ny fanazavan'ny Sekreteram-panjkana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana... ♦ Misy amin'ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro any Imerintsiatosika, no terena hiroso amin'ny tombam-bidy... ♦ Ampy ny vary, fa olana tamin'ny toetr'andro izay tsy nahafahan'ny sambo niantsona, no niteraka resabe tao Toamasina...
Mbola ao anatin'ny fanentanana ny olona hamboly hazo isika, isan'ireny ny hazo fihinam-boa, ny zava-maniry fanao fanafody. Fiarovana ny tontolo iainana tsara indrindra ny fambolena hazo ka noho izany dia tokony ho karakaraina izay hazo novolentsika. Ny hazo malagasy dia maintso sy mando mandavan-taona ny manodidina azy, ary mety ho an'ny fikolokoloina ny tontolo iainana. Ny fikarakarana ny hazo voavoly dia miainga amin'ny aro afo, avy eo ny fanomezana zezeika, ary tsy adinoina ny fanondrahana araka izay tratra, amin'ny alalan'ny fampiasana tavoahangy "plastique" milavaka, ka io no mitete manamando azy.
♦ Tsy hihemotra amin'ny fitakiana ataony ireo mponina voakasik'ilay tetikasan'ny Filohan'ny Repoblika, Tanamasoandro, eny Imerintsiatosika... ♦ Hatomboka amin'ny tanim-panjakana sy ireo olona efa nanaiky hanome ny taniny ny tetikasa, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana... ♦ Nafitry ny CFM ho boky ireo tolo-kevitra hisorohana ny disadisa vokatry ny fifidianana...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco