Talata 18 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 23-28

♦ Miisa roa hatramin'izao ireo olona fantatra fa atidoha ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko ireo volamena mivoaka eto Madagasikara. Teratany Malagasy sy teratany arabo izy ireo, hoy ny ministry ny fitsarana Imbiki Herilaza... ♦ Mbola nisy tamin'ireo sekoly no tsy nanomboka ny fampianarana androany. Saika nandray fepetra isorohana ny Covid-19 avokoa ny sekoly... ♦ Tsy misy afatsy 80 andro ao anatin'ny taona iray sisa no hahafahan'ireo mpanjono an-dranomasina miandrika noho ny faharatsian'ny toe-dranomasina ateraky ny fiovaovan'ny toetrandro...

♦ Mahatratra hatrany amin'ny 10.000.000 dolara isan-taona ny fandaniana ateraky ny "embouteillage" araka ny fanadihadian'ny JIca... ♦ Zana-kazo mora mitombo miisa 50.000 fototra no hambolena amin'ny ampahan-tany 25 Ha, hanombohana ny fambolen-kazo amin'ity taona 2022 ity, hatao ny 19 janoary any Mahanoro... ♦ Heverina ho tanterahina anio ny andrana voalohany amin'ny fampiasàna ny fitaovana vaovao dia ny "transformateur" any Andekaleka, taorian'ny famaizany...

♦ Misaona ny eo anivon'ny  antenimeran-doholona. Nodimandry omaly maraina ny loholona Jean Marcel Eongombelo... ♦ Tsy nisy ny fonja vaky tany Morondrava fa voafonja 7 no nikasa handositra tany amin'ity fonjabe ity tamin'ny sabotsy maraina. Efa tafaverina any am-ponja izy 7 ireo...  ♦ Miverina mianatra manomboka anio avokoa ny mpianatra rehetra manrena ny nosy, izay voatery niato tamin'ny fianarana noho ny valan'aretina Covid-19, isan'izany ny Faritra Analamanga... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...