♦ Hiditra an-tanety eto Madagasikara anio alina ilay rivodoza Emnati, amin'ny tanjaka rivodoza mahery vaika, miaraka amin'ny rivotra 165km/ora, hoy ny météo... ♦ Tombanana hihoatra ny 120 000, oharina amin'i Batsirai ny ho isan'ireo traboinan'ny rivodoza Emnati, hoy ny BNGRC, hahatratra 600 km ny velaran'ity rivodoza ity... ♦ Mitaky ny hanendrena ireo tompon'andraikitra samihafa eo anivon'ny Ministeran'ny arena an-kibon'ny tany ny federasiona misy ireo mpandraharaha amin'izany sehatra izany, manahirana ny fikarakarana antotan-taratasy momba izany...

Mpampinany ny relijiozy satria maneho ankehitriny ny fiainan'i Jesoa Kristy mahantra, manaiky ary madio. Endrika anehoan'ny relijiozy ny fiainany ny didy voalohany ao amin'ny didy folo ny fanahafana an'i Kristy manaiky. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Talata 22 febroary 2022 — Fiketrahan'i Masindahy Piera, Apôstôly — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

♦ Rivodoza Emnati : mampihatra ny loko mena, loza mitatao avy hatrany manomboka anio amin'ny 8 ora alina ny Faritra : Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany... ♦ Tombanana hihaontra ny roa alina sy iray hetsy ny isan'ny traboina amin'ny ho fandalovan'i Emnati, hoy ny BNGRC... ♦ Lesola mila harenina amin'ny famokarana ronono eto amintsika, ny tsy fahampian'ny vilona atao sakafon'omby, amin'ny habetsaha sy ny kalitao... 

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...