Alarobia 23 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 37-39
♦ Hiditra an-tanety anio alina, eo amin'ny fisasahan'ny Distrikan'i Manjary sy i Manakara i Emnati, amin'ny tanjaka rivodoza mahery... ♦ Manentana ny rehetra haneho ny fiombonana sy ny firaisan-tsaina mba tsy hisian'ny fanararaotana sy ny halatra amin'izao fandalovan'ny rivodoza Emanti izao, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, Filoha Lefitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara...
♦ Somary nihena ny rivotra entin'ilay rivodoza Emnati amin'izao ora maromaro tsy idirany eto Madagasikara izao, any amin'ny 72km atsinanan'i Mahanoro no nisy ny foibeny tamin'ny 9ora maraina teo... ♦ Namoaka fanambarana ny sendikan'ny mpampianatra fanabeazana ara-panatanjahantena an-tsekoly, nanoloana ny zava-misy niseho omaly. Manameloka ny fihetsik'ilay raim-pianakaviana député ny SPEPS... ♦ Manomboka mitaky fiara tsara kalitao sy hampitsaharana ireo efa tranainy amin'ny fitanteram-bahoaka ao an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo, amin'ny faran'ny Avrily no farany hanaovana visite de conformité...
Ny 21 febroary no andro nofaritan'ny UNESCO hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny. Nanomboka tamin'ny taona 2000 no nanombohana ny fanamarihana izay atao isan-taona. Ny lohahevitra dia ny hoe : Fampiasana teknolojia amin'ny fampianarana mifototra amin'ny fiamaroan'ny teny : fanamby sy soa fanararaotra. Ny fitsipi-pitenenana dia adika amin'ny teny frantsay hoe "grammaire", ary ny fitipi-panoratana dia "orthographe". Ny teny dia fitaovana ampiasaina hifandraisana ao amin'ny firenena iray, fa ny fiteny dia ny fomba hanehoana ilay teny izay misy isam-paritra...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco