Alarobia 24 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19

♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny fanadihadiana maharitra eny anivon'ny tokantrano, taona 2021. Hampiasa ny teknôlôjia misy amin'ny alalan'ny tablette ny INSTAT, hanangonana ny antontan-kevitra amin'ny tokantrano manodidina ny 17000... ♦ Afaka misitraka ny tetiandrom-pambolena vaovao 2021-2022, ny tantsaha manerana ny nosy. Tetiandro nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy, androany teny Ankrondrano...

♦ Averina manomboka anio ny tsy maintsy hanajan'ny mponin'Antananarivo ny saka ara-pahasalamana, ho fisorohana ny Covid-19. Namoaka didy ho fampiharana izany fepetra izany ny Préfet-n'ny Polisy omaly... ♦ Tsy ampy ny tsikera fotsiny atao amin'ireo rafitra napetraka hikarakarana sy hitsara ny fifidianana, hoy ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalana... ♦ Famotehana ny zon'ny mpiasa malagasy no ao anatin'ilay volavolan-dalana vaovao mifehy ny asa, hoy ny Randrana Sendikaly...

♦ Handalo fankatoavana anio eny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakana 2022. Nanakiana izany ireo fiaraha-monim-pirenena ary nilaza fa maika loatra ny handanian’ireo solombavambahoaka izany sahady... ♦ Hanomboka anio any Le Caire ny fivoriana antampony faha-21 n'ny COMESA... ♦ Hiroso amin’ny fandatsahana orana eto amin’ny faritra Analamanga ny Ministeran’ny rano sy ny Jirama, noho ny olan’ny tsy fahampian-drano...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...