• Hanatanteraka ny fianianany eny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana, na ny HCC eny Ambohidahy, amin'ny maha Filoham-panjakana azy anio, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Nahemotra amin'ny alatsinainy izao indray ny fivoriana handinihan'ny Mpanolotsain'ny Tanana ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Kianjan'ny 13 mey. Nangingina ny teny amin'ny 13 mey omaly... • Mbola manao ranolava ny fanambarana sy fanehoan-kevitra avy amin'ny fikambanana, firaisamonim-pirenena sy sendika...

Ankoatry ny mpanoratra dia marihan'ny konsily fa misy zavatra 5 asongadin'ny boky mandrafitra ny baiboly : Manamafy ny voalaza mahakasika an'i Kristy Tompo, Manazava hatrany ny tena fampianarany, Mitory ny herim-pamonjena avy amin'ny asan'Andriamanitra nataon'i Kristy, Mitantara ny fiatombohan'ny fiangonana sy ny fihitarany, Milaza ny fahataperany be voninahitra... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

• Miverina amin'ny fampiasana ny Lalam-panorenana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina. Namoaka fanambarana momba izany ny Filankevitra ho an'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hariva teo... • Hambara ampahibemaso ny alatsinainy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny nahatongavan'ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay sy Mamy Ravatomananga tatsy Maurice... • Nitory eny amin'ny Fitsarana, ny Depiote Antoine Rajerison, momba ny nanjo azy tao aorian'ilay fisamborana teny Tsiadana. Anisan'ny nanaovany fitoriana ny fanerena azy alaina sary niaraka tamin'ny basy...

♦ Miandry ny fahavitan'ny fihanianana hotanterahana rahampitso ny fanendrena ny Praiministra hoy ny filoham-panjakàna ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Manentana ny olom-pirenena tsy handairan'ny vaovao tsy mari-pototra ny kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena. Miantso ny zandary hanohy ny asa sahaniny koa ny Jeneraly Mamelison Mbinina Nonos... ♦ Nahaton'ny vondrona afrikana tsy ho mpikambana ao amin'io Vondrona io i Madagasikara nanomboka omaly... ♦ 75 no naratra tany Perou vokatry ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...