Ny antso iantsoan'Andriamanitra ny olombelona rehetra dia ny "ho masina". Antso tokana iantsoana antsika efa hatrany amboalohany izany. Porofo izay voasoratra ao amin'ny Livitika : Aoka ho masina ianareo, satria masina aho, Tompo Andriamanitrareo ; hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Sabotsy 13 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8
Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Hanamarika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-teorana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano amin'ny taona 2022...
Raha mivoatra ny teknolojia dia mivoatra miaraka aminy ihany koa ny paik'ady, entin'ireo mpanao ratsy. Hafatra ho an'ny ankizy dia hoe " ry ankizy liam-baovaoa, ny aterineto ampiasao saingy tandremo sao zava-doza ho anao" ry ray aman-dreny "aterineto malalaka, ray aman-dreny maharaka dia voaaro ny zanaka".
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco