Alarobia 3 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evankely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33

♦ Miisa efatra ireo mpandeha antsokosoko nihazo ny nosy Mayotte no maty vokatry ny olana nahazo ny sambokely misy maotera nitondra azy ireo... ♦ Naaton'ny Filankevitra Ambonin'ny Mpitsara na ny CSM tamin'ny asa maha mpitsara azy Andriamatoa Raoul Harizaka Rabekoto... ♦ Tsy tompon'andraikitra amin'izay hena amaidy eny an-tsena, mety ahitana olana, ny sendikan'ny dokotera sy veterinaires eto Madagasikara, izay tsy mety hampiasa ny bokin'omby na ny FIB...

♦ Nolavina ny solontenan'ny Fitsaràna Tampony eo anivon'ny CENI. Mpikambana maharitra vaovao 7 amin'ireo 9 no efa nahazo fankatoavana tamin'ny sabotsy teo... ♦ Nitondra fanazavàna momba ilay famoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena momba an'Andriamatoa Jean Ravelonarivo, ny ministry ny fitsaràna... ♦ Harahi-maso manomboka izao ireo olona mivezivezy, indrindra amin'ny alina, any amin'ny tapany avaratry ny distrika Toliara-II, noho ny tsy fandriam-pahalemana...

Tamin'izany andro izany, nitsangantsangana teny amoron-dranomasin'i Galilea i Jesoa, ary nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amoron'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy Izy taminny : "Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo". Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanarka Azy. Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin'i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony ; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka Azy.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...