Ny eveka dia miantso ny vahoaka hanampy ireo pretra efa mamaly ny antso, no sady mijoro ho ray mpiahy. Manampy betsaka amin'izany ny vavaka iarahana amin'ny Masina Maria Renin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

Alahady 2 janoary 2022 — Ny nisehoan'ny Tompo na Epifania — Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 1-12

Mirary soa ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra ny Filohan ny FFKM, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan'Antananarivo, mba hanjaka eto amin'ny firenena ny marina, amin'izao taona vaovao 2022 izao.

Manana adidy ny pretra efa eo amperinasa amin'ny alalan'ny fahatsorany manao ny asa pastoraly. Ny fifandraisany aman'olona sy ny fahaizany miara-miasa no misarika ny tanora, ny fijoroany ho zoky mpitantana. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...