Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina." Dia hoy Izy tamin’ireo: "Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso, fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo! Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: "Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?" Ka hoy Izy tamin’ny olona: "Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: ‘Tompoko, vohay izahay’, dia hovaliany hoe: ‘Tsy fantatro izay niavianareo.’ Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe: ‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo; mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’ Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany. Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, ary avy any Avaratra sy Atsimo, hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany ho farany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: "Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy? Tahaka ny voan-tsinapy izy izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany." Dia hoy indray Izy: "Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra? Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra."

♦ Manohana an'i Madagasikara amin' ny ezaka ataon'ny Fanjakàna malagasy hanosehana ny fampandrosoana eto amintsika ny firenena mikambana. Isan'ny nivoitra izany nandritra ny fihaonana teo amin'ny filoha malagasy sy ny sekretera jeneraly ONU... ♦ Tsy maintsy hatao izay hatratra an'ireo dahalo nanafika nanao asa fampihorohoroana tany amin'ny distrika Farafangana farany teo, hoy ny ministry ny fiarovam-pirenena... ♦ Miezaka mamerina ny sehatr'asan'ny fifampiraharahana ara-bola madinika ny tompon'andraikitra, na eo aza ny fasahiranana sedraina noho ny valan'aretina Covid-19...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...