♦ Nisy olana ny famoahana ny solika tokony hamatsiana ny mpanjifa manerana ny nosy tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Nifanenjana amin'ny resaka trosa ny Fanjakàna sy ny mpandraharaha mpanafatra solika... ♦ Misy ny tsy fahafaha-mandoa karama eo anivon'ny Senat, 3 volana tsy nandray karama ireo mpiasa tsy raikitra sy miaramila... ♦ Afaka noho ny fisalasalàna i Ravo Nambinina, ilay nahasahy namoaka ny fisiana kolikoly teo anivon'ny Minsteran'ny fahasalam-bahoaka...

Talata 30 novambra 2021 — Masindahy André, Apôstôly — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo, fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22

♦ Mbola nitohy hatramin'ny androany maraina ny olana tamin'ny fividianana solika tao Toamasina... ♦ Afaka noho ny fisalasalana tamin'ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, saingy voasazy handoa lamandy iray tapitrisa Ariary, vokatry ny fanalam-baraka i Ravo Nambinina... ♦ Niaiky androany, ny kestoran'ny Antenimieran-doholona fa tena misy tokoa ireo mpiasa mbola tsy nandray karama hatramin'izao...

♦ Nofaranana ny 28 novambra tamin'ny alalan'ny fiaraha-miombom-bavaka tao amin'ny EKAR Masindahy Piera Ambohipo, ny Zaikabe faha-9 sy ny Kômity Foibe faha-43, ho an'ny FFKM... ♦ Notsofin-drano sy notokanana tamin'ny 27 novambra ny Maternité natokana hikarakarana ireo mahantra sy sahirana, sahanin'ny Salezianina Don Bosco, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanolotra fampianarana lalina mikasika ny fifohazana ara-panahy tena ilaina amin'ny alalan'ny vavaka ny Papa François, nandritra ny vavaky ny Angelus...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...