Ny tsy fanjarian-tsakafo dia isan'ny tranga matetika hita amin'ny zokiolona, izany hoe 33% amin'ireo zokiolona. Ny tsy fanjarian-tsakafo dia tsy fahatomombanana amin'ny lafiny hery hoentiny, lanjany mifanahaka amin'ny toe-batana. Hita maso ety ivelan'ny vatana ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo : fihenan'ny hadirin'ny vatana, ahiazana. Fisorohana : fifampiresahana amin'ny zokiolona... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
26 febroary — I Nestor dia eveka maty martiry tamin'ny taona 251. Tao Magydos i Nestor no nitory ny Vaovao Mahafaly, Turquie amin'izao fotoana izao io toerana io. Ny Amperora Dèce no najaka tamin'izany ary maro ireo kristianina novonoina nandritra ny nanjakany ny taona 249 hatramin'ny 251.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco