♦ Hohafainganina ny raharaham-pitsaràna hampihenàna ny isan'ny olona tazominina any am-ponja. Fanamby, hoy ny ministry ny fitsaràna, ny hampiakarana ny isan'ireo olona voatsara ho 70%... ♦ Miantso ny hisian'ny fakàn-kevitra eto amin'ny firenena ny antoko FTPM, mialohan'ny hitsangàn'ny Ceni vaovao. Manahy ny zava-misy amin'ny taona 2023 izy ireo... ♦ Namoaka ny fanambaràna ireo Olobe zanaky ny Tranobe any Mananjary. Fanambaràna, manoloana ny resabe amin'izany mety ho Governoran'i Vatovavy, ilay faritra vaovao faha-23 eto Madagasikara...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’, ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’ Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohàna. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohàna. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy, raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: "Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany." Ary hoy Izy taminy: "Raha mivavaka ianareo manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: "Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy." Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: "Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy."
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco