Alahady 25 mey 2025. Alahady faha-6 – Taona D fankalazana ny Paka : Vary zato aharon’ny sompitra isika ao amin’ny Eglizy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Ny fitiavana no harena tokana sy ambony indrindra amin'Andriamanitra, fitiavana tsy misy tambiny, hatramin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra. Ny fitiavan'i Jesoa dia fitiavana maimaimpoana, tsy miandry valiny, tsy voafetra. Ny Fanjakàn'Andriamanitra dia fiadanana sy fifaliana, izay ao anatin'ny fon'ny olona mino...
Tsy mora ny adidy sy andraikitra miandry ny Papa voafidy, amin'ny fitondrana ny Eglizy maneran-tany ; ireo Papa rehetra voafidy nifandimby nitondra ny Eglizy dia samy nanao ezaka nitsinjo ny vahoaka, fitsinjovana ireo sahirana, famporisihina hanaovana asa fiantrana, fiarovana ny tontolo iainana, fampanjakàna ny fahamarinana. Ny Papa Léon-XIV ihany koa dia mbola manohy izany, indrindra ny fiarovana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-5 - Taona-D fankalazana ny Paka : Ny vokatry ny paka: hafaliana sy fitiavana. Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Azo lazaina ho toy ny didy miafina nampahalalana ny rehetra ny hafatra napetrak'i Jesoa mikasika ny fifankatiavana tokony hiainan'izay rehetra mpanaraka Azy. Ny namana voalazan'ny Evanjely dia tsy ireo iray finoana ihany na iray fiaviana fa ny olona rehetra izay tokony hanehoana fitiavana. Ny fitiavana ny namana ho an'ny Kristianina dia tsy vokatry ny fo mangoraka fotsiny fa tena fianarana an'i Jesoa Kristy mihitsy...
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny Eveka Katôlika amin'izao fotoana izao dia eo ny Papa, eo ny "Collège épiscopal", ny dimbin'ireo "Colleège apostolique" Taorian'ny Pantekôty dia nanomboka nitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao ieo niombona teo ambany fitarihan'i Piera araka ny nanendren'i Kristy azy ho filohany ka ireo no antsoina hoe Collège apostolique". Ireo zokiolona nantsoina hoe "Presbyters" dia nanampy ireo apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Isan'ny endriky ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao sy ankehitriny ny Eglizy mivoaka, mitady an'ireo izay mbola eny amin'ny sisiny, ka manambara an'i Kristy fototry ny famonjena. Sarotra no manatanteraka io iraka io raha tsy hay ny mandanjalanja ka miezaka mampifanaraka ny asa fitoriana amin'ny zava-misy sy ny vanim-potoana lalovana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny Papa dia dimbin'i Masindahy Pierre sy ny Apôstôly. Ny Cardinaly latsaky ny 80 taona rehetra no mifidy, dia izay feno 80 taona amin'ny faha-16 mey 2025 no zokiny indrindra. Tsy voatery izao ao anatin'ny "conclove" no azo fidiana ho Papa. Ny setroka fotsy dia manambara fa voafidy ny Papa, fa raha setroka miloko mainty no mivoaka amin'ny fantsona dia midika fa mbola tsy voafidy tamin'ny dingan'ny fifidianana ny Papa.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tsy natao ho an'ireo olona nanokan-tena ho an'Andriamanitra irery ny fitoriana sy ny fitaomana ny olona hanatona an'Andriamanitra fa asan'ny Eglizy manontolo, anisan'izany ireo vita Batemy rehetra. Ny vita Batemy dia voaantso hijoro ho vavolombelon'i Kristy na aiza na aiza misy azy, na aiza na aiza ivelomany. Adidin'ny Kristianina ny mampiely ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny famonjena dia tanterahan'i Kristy ilay hany manalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona ; tian'Andriamanitra handray ny famonjena tokoa ny olombelona rehetra. Tsy an-tery ny fitoriana ataon'ny Eglizy na dia tiany aza ny handraisan'ny olona rehetra ny famonjena fa omeny lanja ihany koa ny fanajana ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay, fanajàna ny hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Tenin'i Kristy tamin'ny Apôstôly ny hoe :" toy ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa" ; tsy hoe asa tsy maintsy tanterahin'ny Eglizy na azo heverina ho tsy laharam-pahamehana akory aza ny maha-iraka fa tena anisan'ny mandrafitra sady maneho ny maha-izy azy mihitsy. Io iraka io no anisan'ny ilazàna fa "apôstôlika" ny Eglizy, ny apôstôly midika hoe voairaka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Sady fanomanana ny Vaovao Mahafaly no efa fanomanan'Andriamanitra hanomezany Ilay mazava amin'ny olona rehetra hananany fiainana any am-parany ny fiainana tsara niainan'ireo olona tsy nahalala an'Andriamanitra. Ho voninahitr'Andriamanitra sy ho famonjena izao rehetra izao dia raisin'ny Fiangonana adidy ny mampandroso ny olona sy ny voaary... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny Jody : mifandray amin'Andriamanitra amin'ny fivavahany sy ny finoany izy fa tsy mifandray mivantana amin'ilay Eglizy vahoakan'Andriamanitra. Ny vahoaka Jody no anisan'izay nandray ny fampanantenana ary notiavin'Andriamanitra mandrakariva noho ireo Patriarka teo aminy ; tsy narian'Andriamanitra velively ny olony hoy i Masindahy Piera Apôstôly... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco