Ny zoma 29 marsa no fahatrsiarovana ny tolom-panafahana ny Malagasy. Manana anjara toerana lehibe ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana sy ny fitiavana tanindrazana. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-nisy tamin'izany taona 1947 izany, ary manana adidy amin'izany ny vehivavy satria koa ny ao an-tokantrano no hiantombohan'ny fanabeazana ny taranaka. Nanomboka ny 6 Aogositra 1896 dia lasa zanan-tany frantsay isika. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny raboka dia mbola misy ary betsaka ny olona matin'ity aretina ity. Ny raboka dia misy foana mandavantaona, avy amin'ny fidiran'ny otrik'atetina BK no iavian'ny aretina. Misy ny karazanà raboka mpahazo ny olona ary misy ireo mankarary ny omby. Ny avokavoka no tena taova matetika tafian'ity aretina ity. Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora, na rehoky ny marary. Ny fihotrehany ao amin'ny olona dia 4 hatrmin'ny 12 herinandro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fianakaviana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpivady. Antoka iray mampirindra sy mampandroso ny fiainam-piankohonana izany. Ny fahasalaman’ny fianakaviana dia miankina indrindra ihany koa amin’ny fandrindram-piterahana manaja ny lalàna voajanahary. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikasa.
Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia antoky ny fivelaran'ny zanaka, ary manana anjara toerana lehibe amin'izany ny vehivavy. Ny vehivavy mijanona, miasa ao an-trano dia afaka miarina sy miray hina hampandrosoana ny firenena. Misy voka-tsoa ny fijanoan'ny vehivavy na ny reny miasa ao an-trano, isan'ireny misy hafanana sy maresaka mandavantaona ao an-trano, mitombo kokoa ny fifandraisana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny siatika dia aretin'ny hazon-damosina, ka ny retsika ao anatin'ny tsokan'ny hazon-damosona no tratry ny tsy fahasalamana, indrandra ny faritra ambanin'ny hazon-damosina. Ny asan'io retsika io dia miantoka ny fandrenesan'ny tapany ambany amin'ny olombelona. Ny olona 22 taona no miakatra no mety harary siatiaka ; antony : fahanteran'ny hazon-damosina, dona am-boina, miraikitra ny hazon-damosina, tsimok'aretina na otrik'aretina, homamiadana, raritsaina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
Ny fianakaviana dia andry voalohany hijoroan'ny fiaraha-monina izay fototra ijoroan'ny Fiangonana sy ny Firenena. Ny tsirairay eo anivon'ny ankohonana dia mila miezaka miara-miaina, mifanohana, mifanampy ary mifanaja, mba hampivelatra, sy ho antoky ny filaminana ara-piaraha-monina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Tsy misy "fièvre jaune" eto Madagasikara fa matoa mavomavo ny hoditra na ny maso na ny tanana dia satria misy fiparitahan'ny ranon'afero ao anatin'ny lalan-drà. Raha ny fambara "ngorongosy" no mitranga amin'ny olona iray dia tokony hamonjy tobi-pahasalamana haingana ; tsy maintsy manao fialantsasatra tsara ny olona tsy salama, satria tsy tomombana ny asan'ny aty raha toa ka reraka. Ny hepatita "A" dia mifindra amin'ny alalan'ny zavatra miditra ao am-bava, avy amin'ny sakafo. Fambara : miloko mavo ny faritra amin'ny vatana, mandoa miloko, fiakaran'ny hafanana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Hankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany ny malagasy vehivavy tantsaha. Any Toamasina no hanaovana ny hetsika ôfisialy ; maro ny hetsika hanehoana izany... Maro ireo fikambanam-behivavy misiki-ponitra miantsehatra amin'ny fampivoarana ny famokarana any amin'ny toerana misy azy na ny famokarana tantanam-pianakaviana eto Madagasikara.
Volana marsa no hiresahana manokana ny zon'ny vehivavy. Marihana isaky ny 8 marsa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivevy. Maro no mihevitra fa fety fotsiny io andro io, tsy izay anefa fa fotoana iray hahafahana mampatsiahy ireo karazan-jo hananan'ny vehivavy sy hitakiana ireo zo mbola tsy voahaja. Betsaka ny zon'ny vehivavy izay voahosihosy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Taloha dia tsy nomena ny hasina maha olombelona ny vehivavy, saingy nivoatra tsikelikely izany taty aoriana, ka miha manana ny zony ny vehivavy. Teny manentana amin'izao fanamarihana ny andron'ny vehivavy izao ny hoe : Vehivavy miarina, vehivavy mandroso. Aza miandry ny hafa satria hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ny vehivavy dia efa nanana ny maha izy azy... Mila maneho firaisan-kina sy miara-miasa amin'ny lehilahy ho fampandrosoana ny fianakaviana sy ny firenena. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco