Ny raim-pianakaviana takian'ny vanim-potoana ankehitriny dia lehilahy manam-panahy ; izany hoe manana finoana sy manompo an'Andriamanitra. Maro ny raim-pianakaviana dia saropiaro amin'ny fanaraha-maso ny zanany, ary mikendry ny hatafita ny zanany. Ny fahasahiranana sy ny asa fivelomana dia misy fotoana mampihena ny fahafahan'ny raim-pianakaviana manara-maso ny fianaran'ny zanaka sy ny fahasalamany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy aretina ny "fanina" fa fambaran'aretina, izany hoe fambara fa misy tsy araka ny tokony ho izy ny fahasalamana ao aminao. Ny olona fanina dia mahatsiaro tena. ; mety tranga mandalo, mety maharitra, mety miverimberina. Ny fanina dia misy tranga hafa miaraka aminy toy ny : maneno ny sofina, marary ny andoha, mitebiteby, maloiloy, mandoa, tsemboka. Ny "systeme vestibulaire" izay ao anatin'ny sofina no mandrindra ny horira antsika, raha misy mahakasika io dia izay no miteraka ilay fanina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Misitraka fiofanana hoan’ny mpampiofana mpampitombo amin’ny famokarana biolojika amin’ny alalan’ilay tetik’asa KCOA-KHEA ireo mpikamban’ny Filamatra Soa Iombona na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amin’ny faritra Analamanga. Fihofanana nandritra ny dimy andro natao tao amin’ny Foibe SAF FJKM na ny FOFIFAKRI Isoavina Ambanitsena distrikan’i Manjakandriana ny volana Mars 2024....
Singa anisan'ny mamparefo ny tanora maro amin'ny ady amin'ny fihanaky ny tsimok'aretina Vih/Sida ny fidorohana sy fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Miteraka voka-dratsy maro ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Tsara ny hafantaran'ny daholobe ny atao hoe "zava-mahadomelina", tahaka ny ahoana izany tafaroboka amin'ny fiankinan-doha. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny mitaiza dia fampitana fahalalana ho tonga ho fahaizana ka ahazoana marim-pahaizana ary ahafahana miasa ; ny fanabeazana dia manomana olona ho tompon'andraikitra. Ny olona notezaina dia olona novolavolaina ho tompon-toerana, ary matetika tsy manome lanja ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny voambolana "teny" dia toa ny "aina", porofon'izany ilay fomba fiteny hoe : manapa-teny manapak'aina ; amin'ny maha kristiana ihany koa : ny teny dia tao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra dia teny, izay nahariana an'Andriamanitra an'izao tontolo izao. Ny teny dia fitaovana entina mifandray, afahana mifanabe. Ny malagasy dia anatin'ny firenena iray ary ampiraisin'ny teny ; ny teny malagasy dia harena, mitahiry kolontsaina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Misedra olana ny tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo anatin'ny faritry ny kaominina Antaniditra sy ny Kaominina Analasoa ao amin'ny distrikan'i Moramanga. Mangataka ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha ireo ny Pretra sy ny mpikamban'ny Birao mpandrindra ny Justice et Paix ao amin'ny Distrika misionera Amboasary-Gara, Diôsezy Moramanga...
Ao anatin'ny vatana tomady no misy ny saina matsilo. Misy ny mari-drefy ara-pahasalamana manamarina ny fahasalaman'ny vatana toy ny tahan'ny tosi-dra [8-12], eo koa ohatra ny lanja ara-pahasalamana na ny IMC [18,5 - 25], eo ihany anefa ny fitiliana. Rehefa manana vatana salama ny vahoaka dia mandroso ny firenena. Misy toetra azo anamarihana ny hoe manana saina matsilo : tia karokaroka, afaka miaina ny zavatra misy, fahafahana mipetraka amin'ny toeran'ny hafa... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Misy teboka 8 azo anabeazana ny zanaka mianatra hahay mizaka-tena, sy teboka 3 hatonga azy ho tompon'andraikitra, ireo dia samy mifantoka kokoa amin'ny fanabeazana. Ny mahay dia mahafehy ny fahalalana iray nampianarina ny olona iray ary lasa fahazarany. Ny mizaka tena dia tsy miandry tohana avy amin'ny hafa fa izy tenany no mikaroka hevitra hamahany ny olany sy mampiatra izay nianarany manoloana ny tranga iray. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Manohana fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara anatevina ny sehatr'asany amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR. Voafidy anatanteraka ny tetik'asa FI-FAR eto Madagasikara ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco