Misy fetra ny fampiasana ny saina, ny mihoatra dia mampikorotana ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia azo adika hoe : ny fananana saina afaka maneho sy manatanteraka ny fahaiza-manao, afaka miatrika ny fahasarotana mahazatra eo amin'ny fiainana, afaka mamokatra amin'ny asa atao sy afaka miaina sy milamina ao anatin'ny fiaraha-monina... Ny fahasalamana ara-tsaina dia mifampiankina amin'ny tontolo manodidina : asa, fiaraha-monina, ny fomba fiainana, fahasalamana ankapobeny. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.
Avy ao anatin'ny fianakaviana no hipoiran'ny olona mandray andraikitra. Ny fianakaviana dia sehatra iray hanabeazana sy hamolavolana olom-banona, mandray andraikitra. Ny fianakaviana no afaka mampahafantatra ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fampisehoana sy fampihainoana ny fampianaran'ny fiangonana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.
Ny tanora dia ireo sokajin'olona eo ampanomanana ny fiainan'ny sy ny ho aviny, izany hoe ireo eo anelanelan'ny salan-taonan'ny ankizy sy ny olon-dehibe. Ny olon-dehibe dia 20 taona mahery ara-batana, mahaleo tena efa manana ny asany, matotra, manana ankohonana. Ny fanambin'ny vaninandro ankehitriny, ho an'ny tanora dia ny fanampiana ny fianakaviana amin'ny asa fanao, miezaka ny hanana fitondran-tena matotra, sahy hiatrika ny ho avy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny "infections urinaires" dia aretin'ny taova mpanivana sy mpanangona ary ny fantsona mpamoaka ny amany eo amin'ny olona iray. Ny olona salama dia tsy tokony hatsapa mangirifiry na mangididy rehefa mamany. Ity aretina ity dia mety hakasika ny voa sy ireo fantsona mampifandray io taova io amin'ny fantson'amany. Ny vehivavy no tena maro tratran'ity aretina ity noho ny taova fantsona ivoahan'ny amany sy ny lalan-jaza, ary ny lava-body, mifanakaiky loatra... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Loza mitatao ho an'ny fambolem-bary eto Madagasikara ny aretim-bary ateraky ny bakteria ka mila ny fiaraha-mientan'ny mpisehatra rehetra ny ady atao aminy. Miparitaka amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy ankehitriny ny aretina malazo ravina na ny BLB sy ny aretina tsipika amin'ny ravina na ny BRS raha toa ka ny volana desambra 2019 no nahitan'ny mpikaroka voalohny azy teto Madagasikara.
Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ankehitriny dia miha mavesatra ny hasin'ny fianakaviana, izay ny ray no loham-pianakaviana mitarika. Manana andraikitra lehibe ny ray manoloana ny zava-misy ankehitriny, amin'ny lafiny fanabeazana ny ankohonany : aina sy vatana. Ny atao hoe "ray" dia solon-tenan'ny fianakaviana, miaro ny ankohonana, mamelona. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Misehatra amin'ny famokarana vary manitra ireo tantsaha kaoperativa Vary Manitra Diégo II na ny KOVAMADI-II, ao Anivorano Avaratra Antsiranana-II. Miroborobo ny famokarana noho ny fampiofanana nokarakarain'ny Réseau SOA ho azy ireo.
Raha te ho salama dia misy andraikitra tsy maintsy hanapahan'ny tena hevitra ny manatanteraka azy. Misy anefa tranga tsy vitan'ny tena irery fa tsy maintsy miankina amin'ny sehatra hafa.
Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.
Noho ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina dia lasa misy antsana mampisaraka ny tanora sy olon-dehibe. Misy fomba fifandraisana tsy maintsy arafitra sy arindra, noho izany, mba hisian'ny fifampihainoana.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco