Ny Ray aman-dreny mandray andraikitra dia maharo ny zon'ny ankizy. Ny zo dia filàna ara-boajanahary, ny sokajin'olona tsirairay dia manana izany ary indrindra ny ankizy, mba afahany miaina malalaka sy hampivelatra azy. Mifamatotra amin'ny maha-olombelona ny zo. Misy zo fototra 10 iraisana maneran-tany : Zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, Zo hitafy, zo hilalao, zo hianatra, zo hotiavina... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny tazomoka dia fanaviana azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy (Anophele), io tazo io dia aretina mifindra sy mety hafaty, azo taboina. Ny tena fototry ny aretina dia kantsetsika afindran'ireo moka vavy, izay mivelona ao anatin'ny ran'izay olona voakaikitr'ireo moka ireo. Raha tsy voatsabo ara-potoana ny tazomoka dia mety hafaty ny olona marariny, tsy mifidra amin'ny olona samy olona ny tazomoka... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Manohana ny fiarovana ny ala honko ao amin’ny faritr’i Sofia ny fahefana eo anivon’ny faritra sy ny any amin’ny kaominina. Raharaham-panjakàna ny fiarovana ny tontolo iainana araka ny nambaran’Andriamatoa Fidèle Emilson, tale misahana ny fotodrafitr’asa sy ny falmpandrosoana na ny DID ao amin’ny faritr’i Sofia, sady filoha lefitry ny vovonana hoan’ny fitantanana ny faritra arovana na ny P.F.Gap Avarabe Lovainjafy izay ivondronan’ny faritra Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny. Manaporofo izany hoy izy ny fametrahana io rafitra io...
Ny fianakaviana mino dia fianakaviana manaiky ho marina tsy mila fanaporofoana Ilay Andriamanitra mpahary ny lanitra sy ny tany,ilay trinite masina „Andriamanitra Ray, zanaka sy Fanahy masina” ; tsitoha, mahefa ny zavatra rehetra. Harena ny fifandraisana misy eo amin'ny olona raha iainana, ary mahay miray hina amin'izay fahasamihafana izay ny olona ao anatin‟ilay fiombonana. Ny rehetra no Mandray anjara mavitrika amin'ny asa fitoriana ny evanjely sy hitondra fahazavana... fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny volana "JONA" dia fotoana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana, ny antoky ny fampandrosoana ny firenena dia io fitiavan-tanindrazana io. Ny volana "JONA" dia volan'ny Fanahy Masina, fanilo mitantana sy manoro lalana ny tsirairay ; fa volan'ny tafika Malagasy ihany koa ny volana "JONA", mampiavaka azy koa ny maha iray volan'ny ankizy azy. Ny iray volan'ny Teny Malagasy dia afahana manasongadina ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Nankalazaina androany alakamisy 05 Jona izao ny andro eran-tany ho an’ny tontolo iainana. Loha-hevitra nosafidian’ny firenena mikambana ho voizina mandritra izany ny atsahatra ny fandotoana ara-plastika ny tontolo iainana eran-tany. Mandray anjara mavitrika amin’ny fanamarihana izany andron’ny 05 jona izany ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE. Nanasa an’i Dokotera SALAMA Jean Claude namelabelatra ny momba ny plastika sy ny voka-dratsin’ny fiparitahan’ny fako plastika eny amin’ny tontolo misy antsika ary ny vahaolana entina misoroka izany hoan’ireo mpikambana ao aminy ny AJE...
Folo taona taorian’ny Laudato Si’, inona no fiantraikan’ny antson’ny Papa François hikarakarantsika ny tranobe iombonana? Ny fandaharana "EVA" dia mikaroka ireo hafatra fototra ao amin'ny ansiklika, ny fomba fijery ara-paminaniana momba ny krizy ara-tontolo iainana, ny fiantraikany maneran-tany ary ny hetsika mivaingana. Nahoana no mbola sarotra ny fanentanana? Inona avy ireo fanamby miandry? Ary ambonin'ny zava-drehetra, ahoana no ahafahantsika mitazona ny fanantenana manoloana ny hamehana amin'ny toetr'andro? Fifanakalozan-kevitra mahasarika sy manan-danja momba ny ho avin'ny planetantsika... fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tao anatin'ny taona vitsy dia betsaka ireo olona manana olana noho ny tosi-dra, misy ireo mamoy ny ainy misy ihany koa ireo mitondra takaitra. Manomboka amin'ny faha-30 taonan'ny olona dia tokony hanana fahazarana mitsapa ny tosi-dra. Misy ny fepetra ara-pahasalamana tokony harahina manoloana ny fiakaran'ny tosi-dra ; ny fandraisana ny fanafody dia tokony hajaina ny ora sy ny fatra. Ny antony mampiakatra ny tosi-dra : Fiakaran'ny taona, tarazo, be menaka ny ra, tsy fampiasam-batana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny ankizy sy ny tanora no maro an'isa eto Madagasikara. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza mba ho tompon'andraikitra amin'ny tenany, ary mivelatra amin'ny fiaraha-monina. Noho ny fomba fanabeazana dia manana adidy sy andraikitra hampandroso ny firenena amin'ny tsirairay. Tsara alain-tahaka ny fomba fanabeazana sôvetika : ny fametrahana an-tsoratra lehibe amin'ny talaky maso ny zavatra sy lesona tokony hotadidiana sy hajaina, isany singa hanefy ny tsirairay ireny... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny amibiase dia iray amin'ireo aretina katsentsitra mahafaty indrindra eran-tany (aorian'ny tazomoka sy schistosomiasis). Manodidina ny 10%-n'ny mponina eran-tany no voan'ny amibiase avy amin'ny karazana kantsetsitra Entamoeba, ny Entamoeba histolytica, izay isan'ny miteraka ny aretina. Fomba fifindrany : amin'ny alalan'ny tay miparitaka, sakafo tsy voadio tsara, loto isan-karazany ; miditra ao am-bava mitody ao amin'ny tsinay ary mitombo ao ka mandavaka ny rindrin'ny tsinay. Fambara : mangotika sy marary ny kibo, mahatsiaro voky lava, mivalana matetika ary mety misy ra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...
Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco