Maro ireo soatoavina malagasy tsara sy azo iainana ary nampiavaka ny mponina teto amin'ity nosy Madagasikara ity. Soatoavina mampandroso toa ny Fitiavana, Fahamarinana, Fihavanana. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra anefa no miara-miaina ireo soatoavina ireo mba hisian'ny fandrosoana azo antoka. Manana ny lanjany ny fanabeazana, koa mila mivonona ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny zanany, indrindra handala ny soatoavina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fitiavana dia sahala amin'ny tady tsy hita maso mampifandray fon'olona roa, lahy sy vavy. Sarotra ho an'ny tanora ny mamantatra ny tena fitiavana sy ny haitraitra, ny fitiavana anefa tsy lamaody. Raha mbola latsaky ny 17 taona dia mbola tsy matotra ary mbola tsy mahalala ny lanjan'ny fitiavana ny tanora iray. Maro ny diso amin'ny hoe "fitiavana" mira " firaisana ara-nofo... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fahatsentsenan'ny lalan-dra dia aretina matetika mitranga sy mety hafaty tampoka olona iray. Ny tsy fikorinan'ny ra araka ny tokony ho izy, manerana ny vatana dia mety hiteraka fikorontanana amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Ireo mety hanentsina ny lalan-dra : 1- Ra mivaingana 2- Fisian'ny tavy na menaka anaty lalan-dra ka mahatery ny fikorinany. 3-Fisian'ny rivotra tafiditra amin'ny lalan-dra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nahazoana vokatra miabo ny tetik'asa SANBONAI, niompana tamin'ny fiantohana ara-tsakafo sy fanjariantakafo tao amin'ny Faritra Bongolava, Analamanga ary Itasy. Tetik'asa nandritra ny telo taona mahery, notanterahan'ny AFDI, Fikambanan'ny tantsaha Frantsay sy ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, ny ANAE, Fikambanam-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny Réseau SOA, Tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra...
Ny fampitàna ny Soatoavina dia loharanon'ny Fanantenana amin'ny fanatsarana ny fiainana. Ny fampitàna ny soatoavina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa, satria mamela ny fitsipi-pitondran-tena hampitaina amin'ny taranaka mifandimby. Soatoavina : firaisan-kina, fifnajàna, fihavanana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny fanabeazana ao an-tokantrano dia mampianatra ny zanaka ho tompon'andraikitra ; tsy misy ny fiatsaram-piainana raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra miainga amin'ny tenanao. Tsy mora ny fanovàna ny toe-tsaina fa ilàna finiavana, miainga amin'ny fampiasana ny hery anaty. Miainga amin'ny tsirairay ny fiovana. Ny fikarakarana vatana dia misy akony tsara ho an'ny saina, avy eo miitatra amin'ny fo sy fanahy, izay fototry ny fandraisan'andraikitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
25 taona nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny mpikambana ao amin'ny KOLOHARENA. Ny fikambanana KOLOHARENA izay fantatra tamin'ny fanapariahana ny famokarana miaro ny tontolo iainana. Nivohy sy nanaparitaka ilay vary atao hoe "DISTA" teto Madagasikara ihany koa.
Manoloana ny zava-misy ankehitriny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro dia miatrika fanamby maro ny firenena Malagasy. Anisan’ny vahaolana mahomby sy maharitra hiatrehana izany ny fambolen-kazo, izay sady manamaintso ny tontolo, no antoky ny fahasalamana, ary indrindra mitsinjo ny ho avin’ireo taranaka... Entanina ny rehetra mba hampahafantarana ireo singa sy rafitra rehetra tsara ho fantatra mba ho tena mamboly hazo tokoa fa tsy manatsatoka, Tsy vitan’ny olo-tokana na andian’olom-bitsy ny fiatrehana io olana io fa mila ny fiaraha-mientana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Tsy tokony tsinotsinoavina ny talenta satria arena nomen'Andriamanitra ; ny fanabeazana sy ny fampianarana no afahana mampisongadina azy ireny. Ny traik'efa dia miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano ary ireny no isan'ny risika manosika handray andraikitra. Mahatsara ny fifandraisana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny fiarahana manao zavatra eo koa ny fifampiresahana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.
Ny fampandrosoana mendrika sy mirindra dia endrim-papandrosoana tsy manilika ny hafa kanefa afahan'ny tsirairay mivelatra amin'ny lafiny maha olona feno. Ao anaty fiaraha-monina anjakan'ny fizarazarana sy ny fiolonolonana dia ilaina ny fahaizana mivelatra amin'ny hevitry ny hafa afahana mampirindra ny tsy fitoviam-pijery. Dingana voalohany hafahana makany amin'izay ny fanamafisana ny rafitra demôkratika mifototra amin'ny tany tan-dalàna ary ny tsara tantana afahany tsirairay maneho hevitra hampalalahana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny firaisan-kina no hery ary ny fifampiresahana dia miteraka filaminana, ireo no mitondra amin'ny fampandrosoana. Ny fanabeazana miainga ao an-tokantrano no mampianatra ny zanaka hahay andray andraikitra miainga amin'ny fanadiovana ny vatana. Ny fifampitokisana dia mitondra amin'ny fahamarinana, ho voahaja manaraka izay ireo soatoavina hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco