Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; izy ity dia tsy maintsy ianarana ary tafiditra amin'ny sekolin'ny Ntaolo. Ny vanton-jaza eo amin'ny taona fivelaran'ny saina sy efa mahataka-javatra no mpanao "ankitonona", na izany aza dia misy olon-dehibe hatrany mba manoro sy manazava ny hevitra sasany. Ny endrik'ity lahaborana ity dia miendrika fanontaniana, ialoavan'ny fanontaniana hoe "Inona ary izany raha fantatrao...? Ny tanjona amin'ny fanaovana azy ity dia fandranintan-tsaina, famolavolana ny ankizy hahay maneho hevitra. Ny ankitonona sy ny ankamantatra dia iray ihany...
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao. Fomba dia azo rasaina hoe : F - omba, ka ny "omba" dia toetra sy endrikà na fihetsika. Ny fanaovana "hasovan-jaza" dia misy ireo mijery andro anefa misy ihany koa ireo tsy manao izany fa rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia ataony. Ny tadim-poitra dia homena ny omby ho an'ny fomba sasany, mba tsy ho very sy hody amin'ny hasiny iny loharanon'ny aina iny, izay nifandraisan'ilay zaza tamin'ny reniny. Ny fanalana satroka rehefa manoloana olona na amin'ny toe-javatra iray dia midika fanajàna...
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao, ny toetra sy ny fihetsika dia ny fanao mahazatra, fomba fiheverana mirakitra fahendrena, maneho ny maha izy azy ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny riba dia maneho zavatra sarobidy ao anatin'ny fiaraha-monina ; misy toetra sy fihetsika mifototra tamin'ireo hafatra napetrak'ireo razambe teo aloha, iombonan'ny besinimaro ary hifandovana. Ny Riba dia mivoatra araka ny vanim-potoana, izany hoe misy ny "riba tranainy na ela" sy ny "riba vao" ; ohatra ny famorana dia ny rain-jaza no nanatanteraka azy taloha fa ankehitriny dia efa mpitsabo nianatra manokana ; izany hoe hatarafana ny fomba taloha sy ny vao. Iray ihany ny RIBA sy ny FOMBA, KOLOTSAINA...
Ankoatra ny maha mpitsabo nianatra tany Ivelany an'i Dokotera Rasamimanana Joseph, dia nahasaropiaro azy koa ny manodidina ny "raokandro", izany hoe ny fampiasana ho fitsaboana ireo zava-maniry toy ny ravina voafotsy sy ny aferon-tany. Ny voninkazo "iris" no tena nanaovany fikarohana lalina ka nahafahana nitsabo ny kohoka, ny taovam-pisefoana, tosi-dra, fery... Nanoratra tamin'ny gazety sy boky samihafa ity Dokotera ity ary nosoniaviny tamin'ny anarana hoe "iris" ireny lahatsoratra nataony ireny. Niaro ny teny Malagasy izy, nanefy voambolana ho an'ny tontolon'ny fitsaboana ihany koa...
Ny zava-maniry "tangena" no nanaovan- Dokotera RASAMIMANANA Joseph fikarohana ary nampisongadina azy tany ivelany ; tamin'ny faha-25 taonany no nanaovany tohon-kevitra mikasaika izany, nahafahana nitily sy nampiasa ny singa atao hoe "tanghinine" ao anatin'io zava-maniry io, indrindra ny vokany amin'ny fo. Tsindry nataon'ireo mpitondra sy tompon'andraikitra no tsy nahafahan'io dokotera io naneho ny fahaizany tamin'ny sehatra lehibe. Rehefa lasa zanan-tany Frantsay i Madagasikara vao voatendry hiasa tamin'ny "hopital" ny dokotera RASAMIMANANA Joseph. Ny fampiasana ny "lali-manga" ho solon'ny "Antibiotique" dia voka-pikarohana nampitolagaga ny maro ; havanana amin'ny fandidiana ara-pahasalamana koa izy...
Ny Profesora Rakoto Ratsimamanga no tena betsaka olona mahafantatra no izy nahavita nanangana toerana afahany maneho ny asa-karoka nataony sy nanoratra boky. Ny Dokotera RASAMIMANANA Joseph anefa no nambaran'itsy voalohany fa nampianatra azy ary nambarany fa "SAVANT" lavitra noho izy "Rakoto Ratsimamanga". Vao 10 taona monja dia efa lina sy nahalalana ny rafi-batan'olombelona ny Dokotera RASAMIMANANA Joseph ; mpianatra nandranto fianarana tamin'ny sekoly misiona (prôtestanta sy katôlika) izy ; tamin'ny faha-20 taonany no nalefa nianatra tany ivelany izy. Mpampiavaka ity dokotera "savant" ity ny fihezahany nampianan-tena, liam-pahalalana, nitozo mafy tamin'ny fikarohana, tia manao soa indrindra fa fitsaboana...
Ny fanandroana dia mety ho hain'ny olona rehetra. Ny mpanandro dia misy karazany telo : voalohany ny lovaina tamin'ny ray aman-dreny taloha, ny faharoa ireo nianatra, ary ny fahatelo dia ireo manandro an-kibo. Ireo manandro an-kibo dia ireo mahalala zavatra, ka ireo tsindrin'io hery io amin'ny alina dia antsoina hoe tsindrimandry ary ireo tsindrin'ny hery amin'ny andro mazava dia hitsakandro no ilazana azy. Ny vintana dia mifamatotra amin'ny finiavana satria ny vintana dia tsy miara-teraka amin'ny zaza fa tera-javatra hafa...
Ny "ankifidy" dia kilalao amin'ny teny, itsapana ny fahaiza-maminany sy mitsara zavatra amin'ny alalan'ny fampifidianana amin-javatra anankiroa ka atao fanontaniana, teny mifonofono misy zavatra roa asaina ifidianana, nefa raha tsy mahay mifidy dia mahazo ny ratsy. Samy azo anaovana ankifidy avokoa : olombelona, biby, zavatra, zava-panao eo amin'ny fiaraha-monina. Ny sakan-jaza sy ny vanton-jaza no manao azy, fa afaka mandray anjara avokoa anefa ny sokajin-taona rehetra. Ohatra : Alao izay ho anao "avy tany, sa 'ndeha ho any?" ilazàna ny hoe avy nandevina sa "ndeha hamosavy". Alao izay ho anao : Be maso anaty vero, sa kely maso anaty vato? izay midika hoe omby sa kary...
Ny voambolana "Juridique" dia voambolana mamaritra teny iray na zavatra iray momba ny fitsarana. Ny "notaire" dia manana tandrify amin'ny teny malagasy hoe "Mpiraki-tsora-toa ; ny "assesseur" dia mpitsara mpanampy izay tsy voatery olona nianatra manokana mikasika ny asa-pitsarana ; ny "temoin à charge" dia adika hoe "vavolombelona manamafy ny vesatra", "temoin à decharge" dia midika hoe " vavolombelona manamaivana ny vesatra". Manoloana ny fisitrahana ny lova dia misy andian-teny mampiavaka ny olona sy ny zony : ny "ayant droit" dia ireo mpandova akaiky, ireo "ayant cause" dia ireo mananjo fa sokajy mandefitra amin-jo miohatra amin'ny mpandova akaiky. Ny ho "OUï" anaty didim-pitsarana dia tsy midika hoe " EKENA" fa hoe "HENO".
Ny vintana dia voalaza ao amin'ny tantaran'Andriana, tamin'ny alalan'ireo lehilahy miisa efatra nihaona tamin'Andriamanitra, izay nangataka ny hafantatra ny vintany avy sy mba handaminana ny fiaraha-monina. Voafaritra araka ny asa fanaon'izy ireo andavanandro ny vitany ka ny ny mpiady na mpiantafika, nisy ny mpitsabo sy mpihaza, nisy ny mpivarotra ary nisy ny mpamboly. Mifamatotra amin'ny voahary ireo vintana ireo dia : Afo, tany, rivotra ary ny rano. Mifamatotra amin'ny vanim-potoana faha-vazimba sy ny fanandroana ihany koa ny vintana na mbola tsy nahazo ny anarana mazava aza izany raha tsy taty aoriana tamin'ny alalan'ireo fanandroana arabo...
Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; ara-kevitra dia mifanakaiky amin'ny fomba fanehoana ny "HANZAD" ity lahabolana ity. Ity farany izay lahabolana an-kira, ary manokana no mihira azy, dia ireo andriambavy ihany no mihira azy, lahabolana fankaherezana ny mpiantafika, ary tandindon'ny tanjaky ny fanjakàna. Misy teny sy lahabolana vitsy ireto heverina ho nipoiran'ny "ANTSA" dia ny ANZANG avy ao Gabon, ny MANSA avy ao Congo ary ny HANZAD izay avy amin'ny firenena maromaro ao Afrika-Andrefana...
Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Mazàna dia arahina zava-maneno toy ny amponga, kipantsona sy ny lamako ny "antsa". Ny tsiarombavy na tsierombavy n mpiantsa azy io ; izy ireo dia vehivavy amin'ny mpanompon'ny mpanjaka fahiny izay niforona ho toy ny foko iray mihitsy. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika. ...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco