Ny Taom-baovao sy ny alahamady ary ny alahamady be dia samy voasokajy ho ao anatin'ny kolon-tsaina malagasy. Raha fomba sy riba no misongadina kokoa amin'ny Taom-baovao sy alahamady dia ahitàna finoana kokoa ny alahamady be satria misy vavaka sy fangatahana amin'ireo manana ny satan'ny Razana, Zanahary ; ankoatra ireo taranaka andriana mpandala sy mpanamarika ity fotoana ity dia fotoana hihaonan'ireo mpanazary manerana ny nosy amin'ny toerana voafaritra ihany koa io mba hanatanterahana fomba maro samihafa sy hifanakalozana traik'efa sy fahalalana mba entina hanasoavana ny vahoaka indray amin'ny taona hodiavina. Volana avrily no fotoana matetika fanamarihana ny alahamady be...
Ny volana Alohotsy no volana mamarana ny taona ka ny vody alohotsy no hitana amin'ny Alamady izay misy ny andro taom-baovao raha ny fankalazana nofaritan'ny Trano kolotoraly Malagasy. Ny antony nampisampana ny hevitra momba ny andro hanamarihana ny taom-baovao dia noho ny teny midina nomen'ireo andria-manjaka nitondra ny tany sy ny firenena ; maro no namadika ny taom-baovao hifanaraka amin'ny tsingerin-taona nahaterahany. Ny afo tsy maty dia azo alaina amin'ireo olona, izay velon-dray aman-dreny, manana afo mirehitra. Ny rano hidiovana na hanaovana fafirano dia rano nafanaina tamin'ny vilany tany vaovao na vilany vaovao, hapetraka eo an-joro firariazana, alaina amin'ny tanana ny rano ary hatao an-tampindoha ka harahina teny hoe : "sambasamba Andriamanitra Andriananahary, ho arivo ho tratry ny taona, tsy hisara-mianakavy izahay"...
Ny didy savaravina (=ADD) dia didy tsy raikitra mivoaka aorian'ny matoan'ny didim-pitsarana (=minutes), izay didy mety mbola hiova. Ny tiana ambara amin'ny hoe onitra "OMBY SISA MITA" dia ilazana ny onitra tsy maintsy hefaina miaraka sy mitambatra, ary tsy maintsy haloa na efa nisy ampahan'olona voampanga aza efa nanefa ny onitra. Dika teny (Mpisolovava = avocat) (Mpitsara=Juge, magistrat) (Tonia = Procureur) (taha-dikan-didim-pitsarana = jurisprudence). Matetika re ny hoe "Fitsarana tsy mahefa", ny antony io dia matetika misy tranga vaovao na antotantaratasy miditra ka tsy tandrify ny sampam-pitsarana iray intsony ny hadirin'ny ady hany ka mila ho "TSY MAHEFA" ny fitsarana ary mandrisika ny hitondrana ny raharaha amin'ny tendrom-pitsarana hafa manoka.
Maro ny olona no sahirana amin'ny voambolana ampiasaina eny amin'ny sehatry ny fitsarana. Talohan'ny nidiran'ny frantsay teto Madagasikara dia nazava sy mora noraisina ny didy navoakan'ny fitsarana malagasy, izay mifanaraka amin'ny rafi-pisainana sy rafi-piaraha-monina nisy. Nandritra ny fanjanahan-tany dia ny teny frantsay no teny nampiasaina tamin'ny tontolon'ny fitsarana, ary niova araka izany ihany koa ny firafitry ny didy ; vokany nihasarotra ny fahazoana ny teny voarakitra amin'ny didy isan-karazany. Ny fahasarotan'ny voambolana ao anatin'ny didy sy eo amin'ny sehatry ny fitsarana dia mba hiazomana ny fahefany araka ilay voalaza hoe "teny baiko"...
Ny biby masina sy ny biby manambara ratsy dia mety miova dika sy hevitra araka ny toerana sy ny fotoana : misy ireo fady taloha fa efa fampiasa sy fihinana amin'ny fotoana aty aoriana ; misy ireo fady amin'ny toerana hafa fa tsy fady amin'ny toerana sasany. Ny tandindon'ireo loza mety hiatraika amin'ireo mpanao ny fomba no mamaritra ireo biby hampiasainy. Ny ra dia aina ary izay no antony mahatonga ny maro tsy mihinana ra na biby nalatsa-dra. Ny Gana na kana, ny gisa, ny dokotra sy ny vorontsiloza dia samy biby avy any ivelany no nampidirina teo Madagasikara, isan'ny antony tsy dia nampiasa azy ireny tamin'ny riba hatramin'izay...
Ny biby teo amin'ny tontolom-piaraha-monina Malagasy dia nampiasaina ho sakafo, nampiasaina tamin'ny famokarana, fanafody, alafaditra, natao sorona. Manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray dia misy hatrany ny fampiasana biby mba ho fampodiana aina, fiarovana amin'ny loza... Isan'ireo biby heverina manana ny hasiny ny akoho, ondry, osy, omby, bibilava, voay, fanano, amalom-bandana... Ny bibin-dRamahavaly dia sampy, nampiasaina ho mpitari-tafika, sy mpitsapa entan'Andriana tamin'ny andron'i Radama-I...
Ny "Kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena fatra-piangaly azy. Ohatra : Raozimaria tsa mba ratsy fa anarana nataon'ny vazaha, ka ny aombe mahia tsa mba mate, lehe mba tohofana vodi-kajaha. Amin'ny "kipotsaka" dia ny fehezanteny mamarana ny fehezan-teny mifanohy no tena misy ny votoatin'ny resaka tiana hampitaina.
Ny isa 1 hatramin'ny isa 10 dia hita taratra sy manamarika anaran-tanàna maro : Ampanotokana, Ambohidroa, Antelomita, Ankadiefajoro... Ny isa 6 dia tsy ananana anaran-tanàna mifandraika aminy fa kosa nentina nanondrona faritra na tany lehibe : Imerina enin-toko, Faritany enina mandrafitra an'i Madagasikara. ny isa 3-5--6-8 dia manambara fahafenoana sy fanambinana, torak'izany koa ny isa 12, izay
Ny fiarahaba "Arahaba tratry ny taona" no nisy talohan'ny "arahaba nahatratra ny taona". Ny Malagasy sy ny tatsinanana dia manana fomba fiheverana ny tontolo "tamberina tsy manampahataperana" ka manana hevitra hoe isika olombelona dia mizotra sy mivelona fa ny taona no miodina mandalo antsika noho izay dia ny "taona" no mahatratra antsika. Ny anarana "famantaran'andro" no nisy talohan'ny "famantaran'ora", izay fitaovana entina hamantarana ny fizotry ny andro. Ampiasaina ny voambolana hoe "MIKASIKA" rehefa voatondro mazava izay voakasika, "MAHAKASIKA" kosa raha zavatra ankapobeny. Sedraina ho voambolana tandrify ny "DRÔNE" ny hoe "SIDISIDINA" noho ny toetrany sy ny fomba fampiasana azy...
Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa...
Ny kabary dia isan'ny fitaovana fampitam-baovao ; santiona vitsivitsy : kabarim-panjakana (didy sy lalàna, fakana miaramila, fantaminana fanjakana, fanapahan-kevitra...) ny Kabarim-pokonolona (dina, asa iombonana ...), kabarim-panambadiana (fanatanterahana fomba...). Zava-kanto vita amin'ny teny ny kabary, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hain-teny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenena.
Ny fanagasiana tsy nahomby noho ny paika tsy ampy nentina niatrika azy. Manan-danja amin'ny vahaolana momba ny fanagasiana ny fanagasiana ny toe-tsaina satria ny faharesen-dahatra anaty dia tombony lehibe hafahana mifototra amin'ny fampiasana ny teny malagasy. Maro no mihevitra fa olona mahay raha mahay teny vahiny. Tsara ny manamarika fa ny teny dia vata fitahirizana ny kolontsaina. Mba hanamorana ny fanagasiana dia ny fametrahana lalàna mikasika ny fampiasana ny teny malagasy sy izay rehefa maha malagasy no atao vaindohan-draharaha...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco