Nahatsiaro ny Colonnel Ratsimandrava izay tia tanindrazana ny Malagasy tamin'ny 11 febroary. Zava-dehibe ny fivondronana hiady amin'ny fifankahalàna, entina hisedra ny sakana sy ny ady amin'ny fahantrana. Ny fitsinjovana ny zon'ny ankizy sy ny tanora ary ny fianakaviana dia hafatra lehibe napetraky ny Ray Masina François ; ilaina ny fanasongadinana ny firaisan-kina mba hampandrosoana ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

  • Hofantatra mandritra ny fivoriamben'ny Vondrona Afrika andiany faha-38 atao any Adis-Abeba renivohitr'i Etiôpia izay ho filoha vaovaon'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina. Manana kandidà mifaninana amin'izany i Madagasikara dia Andriamatoa Randriamandrato Richard...
  • Nampiasa fitaovam-panjakàna nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ny kandidà ben'ny tanàna Joro tao Antanambao-Mahatsara, Distrika Vatomandry. Antony nanafoanana manontolo ny vato azony nandritra ny fifidianana hoy ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna ao Toamasina...
  • Mbola hitohy ny rotsak'orana mandritra ity faran'ny herinandro ity hoy ny Météo Malagasy. Ho betsaka izany ny alin'ny alahady ho an'ny faritry ny afovoan-tany, Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra...
  • Vonona ny hifampiresaka amin'ny Rosia i Ukraine hoy ny filoha Okranianina...

Alahady faha-6 mandavantaona — D : Andriamanitra no tena mahasambatra fa tsy ny haren’ny tany ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Sambatra izay mitoky amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olombelona, izay mitory fampitandremana ho an'ireo mpanompo sampy, anefa ihany koa fampaherezana ireo izay mitoky amin'izy Tompo. Manery antsika hanao safidy ny tenin'Andriamanitra izay omena antsika amin'ity alahady faha-6 ity : Hozana sa tso-drano, fanantenana sa famoizam-po, hasambarana sa loza. Ny sitrak'Andriamanitra dia ny lalana mitondra amin'ny famonjena...

  • Miharatsy hatrany ny tontolon'ny demôkrasia eto Madagasikara hoy ny antoko TEZA. Tsy misy intsony ny fahafahana maneho hevitra sy ny fitakian-jo ho an'ny olom-pirenena. Isan'izany hoy ny filoha nasiônaliny ny zava-nitranga tao Vatomandry sy ny tany Antsiranana...
  • Nijojo ny orana teto an-drenivohitra omaly takariva. Nitohy hatramin'ny alina. Hahazo vahana hatrany izany oram-pahavaratra izany hatramin'ny faran'ity herinandro ity hoy ny météo Madagascar...
  • Zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny Fanjakàna sy ny Firaisamonim-pirenena hamahàna ny olan'ny fananan-tany eto Madagasikara. Nivory nandinika ny momba izany teto an-drenivohitra ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fananan-tany...

Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain'i Lioka : Ny voalohany "ilay sakaiza manelingelina" izany ho mamporisika hanao lemozy amin'ny fivavahana ; ny faharoa "ilay vehivavy mananontena" nivavaka lalandava ary mino sy manana fanantenana ; ny fahatelo "ilay Farisianina sy ilay poblikanina" nanana fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

• Tsy misy demokrasia vanona eto Madagasikara, raha tarafina amin'ny zava-misy amin'izao, hoy ny antoko Teza... • Mila hamafisina misimisy kokoa ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny firaisamonim-pirenena, mba hamahana ny olan'ny fananan-tany eto Madagasikara, hoy ny SIF... • Tratra ny tanjona nokendrena tamin'ny tetikasa Jumelage, niarahan'i Frantsa sy Italia ary i Madagasikara nanatanteraka...

• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...

• Hikatona rahampitso 15 febroary ny fisoratana anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy izay tafiditra ao anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... • Efa nahitana fidinany eo amin'ny 200 Ariary eo ny vidim-bary ankehitriny, raha ny nambaran'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Ravan'ny Bianco ireo tambajotra mpanao hosoka eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola...

• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy. Tontosa ny fihaonan'ny mpikamban'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha misahana izany eo anivon'ny Fiketrahana Masina... • Mbola fitaovan-tserasera manakaiky vahoaka indrindra ny Radio eto Madagasikara. Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Radio... • Nangataka fampiakarana 30% amin'ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina ho an'ity taona 2025 ity ny CTM...

Nahazoana vokatra miabo ny tetik'asa SANBONAI, niompana tamin'ny fiantohana ara-tsakafo sy fanjariantakafo tao amin'ny Faritra Bongolava, Analamanga ary Itasy. Tetik'asa nandritra ny telo taona mahery, notanterahan'ny AFDI, Fikambanan'ny tantsaha Frantsay sy ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, ny ANAE, Fikambanam-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny Réseau SOA, Tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra...

Ny fampitàna ny Soatoavina dia loharanon'ny Fanantenana amin'ny fanatsarana ny fiainana. Ny fampitàna ny soatoavina dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fananganana tontolo tsaratsara kokoa, satria mamela ny fitsipi-pitondran-tena hampitaina amin'ny taranaka mifandimby. Soatoavina : firaisan-kina, fifnajàna, fihavanana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

Nampianatra antsika hivavaka i Jesoa rahefa nivavaka Izy. Nanomboka tamin'ny toriteny teo an-tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin'ny fibebahan'ny fo i Jesoa, isan'ireny ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an'ny mpanenjika. Mampianatra antsika ny fahasahian-janaka i Jesoa, tahaka ny nivavahany tamin'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...