• Nanamafy ny Fiaraha-miasa teo aminy ny sendikan'ny Indostria Malagasy na ny SIM sy ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria Frantsa sy Madagasikara na ny CCIFM. Nisy ny fifanarahana nosoniavina momba izany...
  • Hitombo 10 tapitrisa ka ho lasa 24 tapitrisa ny isan'ny ankizy eto Madagasikara amin'ny taona 2050. Tatitra nataon'ny UNICEF momba ny ho avin'ny ankizy manoloana ny fiovana eran-tany...
  • Namono raim-pianakaviana 25 taona ilay rotsak'orambe nitranga teo an-drenivohitra ny zoma lasa teo ; omaly no natao ny fandevenana azy...
  • MIrohatra miverina amin'ny toerana nisy azy indray ireo teratany libanais nandao ny toeram-ponenany noho ny fanafihana nataon'ny Israelianina ny tanàna misy azy ireo...

  • Vinavinaina hitombo 10 paitrisa ka hahatratra 24 tapitrisa, ny isan'ny ankizy eto Madagasikara amin'ny taona 2050, raha manodidina ny 14 tapitrisa izany ankehitriny...
  • Manampy ny vehivavy sy ny ankizy mba hivoatra eo amin'ny fiainana ny fikambanana Wednesday Morning Group...
  • Hitondra vokatsoa ho an'ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy i Eorôpa, ny fiaraha-miasa eo amin'ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara sy ny Tranoben'ny Varotra sy ny Indostria Frantsa sy Madagasikara...

  • Tanterahina izao antoandro izao eny amin'ny fasan-drazany eny Nandihizana-Mahitsy, ny fandevenana ny namana Rolland Rakotondramasy...
  • Namoaka andiana mpiofana 67 mianadahy manana fahasembanana ny ivon-toeram-panofanana olona manana fahasembanana eny Ampasampito, mpiofana teo ambany fiahian'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa..
  • Hiady hevitra eny amin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo-renivohitra indray ny zoma 29 novambra izao ireo kandidà ben'ny tanàna, ady hevitra karakarain'ny fikambanana Friederich Stiftung...
  • Tanterahina anio tolakandro ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny fandevenana ny Kardinaly Miguel Angel Guixot, Prefet-'n'ny dicastère misahana ny dinika amin'ny samy finoana...

  • Nankatoavin'ny solombavambahoaka nandritry ny fivoriana hitambaramben'izy ireo omaly talata 26 novambra, ny volavolan-dalàna fankatoavana fampindramam-bola miisa 3...
  • Vehivavy 1 amin'ny 3 no hiaran'ny herisetra na efa niharan'ny herisetra nandritry ny androm-piainany teto Madagasikara, 13,7% ny vehivavy no iharan'ny herisetra ara-nofo...
  • Lehilahy 1 no tra-tehaky ny pôlisy niaraka tamina vola sandoka mitentina 168 tapitrisa Ariary nokasaina hamidiny tany Mananjary...
  • Miroso amin'ny fampitsaharana ny ady any Liban manomboka anio i Israely sy ny Hezbollah, fampitsaharana mandritra ny 60 andro araka ny fampitam-baovaon'i Elysée...

Maro ireo fomba hanamaivanana ny fijalian'ireo fanahy mijaly ao amin'ny afo fandiovana. Miisa 3 no atolotra izao dia ny fampijalian-tena hatao an-tsitra-po sy ny fampijalian-tena tsy fanahy iniana; ny fahoriantsika ao anatin'ny fotoana fohy dia hitondra fahasambarana mandrakizay ho azy ireo. Ankoatra izay dia manampy azy ireo ihany koa ny fanaovana asa fiantrana amin-kerim-po, tena ilain'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana izy ity, ho toy ny ando mirotsaka tsy tapaka amin'ireo fanahy mijaly ao amin'ny toeram-panonerana sy manamaivana ny fijaliany no sady mahasoa antsika ihany koa. Ary ny fahatelo farany dia ny fanolorana lamesa ho an'ny fanahin'izy ireo, araka ny fijoroana vavaolombelona dia nisaotra ilay Pretra namany ny Pretra iray izay efa nodimandry, nisaotra azy tamin'ny fanafahana azy, "noho ny lamesa izay natolotrareo dia niala tao amin'ny afo fandiovana aho ary niakatra any an-danitra, mifanatri-tava amin'Andriamanitra, ilay niarahantsika nitsaoka fahiny".

Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

  • Namoy mpiara-miasa teo aloha izahay eto amin'ny Radio Don Bosco. Nodimandry omaly ny mpanao gazety tamin'ny fotoan'androny, Rolland Rakotondramasy...
  • Mitaky ny hisian'ny lisitra tovana ho an'ireo anarana vaovao nampidirina anaty lisi-pifidianana, amin'ny alalan'ny "ordonnance" ny KMF/Cnoe Fanabeazan'olom-pirenena...
  • Efa nisondrotra ny saran'herinaratry ny JIRAMA ho an'ny vondron'orinasa afak'haba eto Madagasikara. Misy fiatraikany amin'izy ireo izany, hoy ny filohan'ny GEFP...
  • Mpandeha 17 isa tsy hita popoka, vokatry ny faharendrehan'ny sambo mpitondra mpizahan-tany tao amin'ny ranomasina mena any Ejipta...

  • Nolanian'ny Solombavam-bahoaka teny Tsimbazaza androany, ny volavolan-dlaàna roa mahakasika ny fisamboram-bola amin'ny BAD sy ny FAD...
  • Eto amintsika ankehitriny ny Tale Rejionalin'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, na ny OIT aty Afrika, Ramatoa Fanfan Rwany Indo...
  • Efa misy fisondrotany ny vidin'ny herinaratry ny Jirama ampiasain'ny mpikambana ao amin'ny Vondron'ny Orinasa Afakaba, na ny GEFP...

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 33, 14-16)

Hampitsimoka solofo mandala ny marina ho an’i Davida Aho.

Indro avy ny andro, teny marin’ny Tompo,
hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak’i Israely aman-taranak’i Jodà.
Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,
hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho,
izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany.
Amin’izany andro izany i Jodà, hovonjen
ary i Jerosalema handry feizay,
ka hantsoina hoe: Tompo-fahamarinantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14

Aminao, ry Iaveh, no asandratro ny fanahiko.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy,
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.

Ny lalany: fahamarinana, fitiavana
amin’izay mitandrina ny fanekeny.
Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany:
atorony azy ny fanekeny.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônîka (1 Tes. 3, 12 — 4, 2)

Hankahery fo anareo ny Tompo, ho amin’ny fahatongavan’i Kristy.

Ry kristianina havana,
ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo,
sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
Hankahery ny fonareo anie Izy,
ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika,
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olomasiny rehetra. Amen.

Farany, ry kristianina havana,
izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo:
efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra
sady efa arahinareo koa,
ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Efa fantatrareo rahateo ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 25-28. 34-36)

Akaiky ny fanavotana anareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary ety an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany
sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.
Tandremo àry fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo,
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Lasa aloha raha oharina tamin'ny fifidianana hatramin'izay ny fandefasana ireo fitaovana ho ampiasaina amin'ny fifidianana ny 11 desambra izao...
  • Maro ireo mponina eto Antananarivo sy ny manodidina no voan'ny tazomoka, araka ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'y fahasalamam-bahoaka ka anaovany fanentanana...
  • Efa nivoaka ny valin'ny fifaninanana handraisana mpandraharaha ny fonja miisa 600. Ho tanterahana ny 4 desambra ny dingana faharoa amin'ny fifaninanana...
  • Nirehitra ny motera iray tao amin'ny ilany ankavian'ny fiaramanidina rosiana iray ; nieren-doza ireo mpandeha tao anatiny...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...