12 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 18, 20-39)

Mihainoa ahy, ry Tompo, mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.

Tamin’izany andro izany,
dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba
sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela.
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe:

“Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo?
Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy,
fa raha i Baala kosa, manaraha azy.”

Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Dia hoy i Elia tamin’ny vahoaka:

“Izaho irery no sisa amin’ny mpaminanin’ny Tompo,
fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin’i Baala.
Koa aoka homena ombalahy roa izahay,
ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy,
dia horasainy sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo;
ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo tsy asiana afo koa.
Rahefa izany kosa, hiantso ny anaran’andriamanitrareo ianareo;
izaho kosa hiantso ny anaran’ny Tompo.
Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.”

Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe:

“Tsara izany!”

Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala:

“Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha,
fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo,
nefa aza asiana afo.”

Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny,
dia niantso ny anaran’i Baala izy,
hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe:

“Ry Baala ô, valio izahay!”

Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory.
Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo.
Nony nitataovovonana ny andro,
nesoesoin’i Elia teo izy ireo, nataony hoe:

“Miantsoa mafy, fa andriamanitra moa izy,
ka sao dia revo mandinika, na varian-javatra, na lasa nivahiny;
matory angamba izy, ka dia hifoha.”

Dia niantso mafy tokoa izy ireo
sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony,
mandra-piloa-dra ny tenany.
Ary nony efa nitsidika ny andro,
dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra.
Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsona kely akory.

Izay i Elia vao nanao tamin’ny vahoaka hoe:

“Manatòna ahy ianareo.”

Nony nanatona ny vahoaka,
dia namboariny ny ôtelin’ny Tompo izay efa voarava.
Naka vato roa ambin’ny folo i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba,
ilay niharan’ny tenin’ny Tompo hoe:
Israely no ho anaranao.
Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny anaran’ny Tompo.

Rahefa izany nasiany hady manodidina ny ôtely
sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana;
dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy,
ka napetrany teo ambony kitay hazo.
Ary hoy izy:

“Fenoy rano ny siny efatra,
ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.”

Dia hoy izy:

“Ataovy fanindroany indray izany.”

Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona.
Fa hoy indray izy:

“Ataovy fanintelony koa izany.”

Dia nanao izany fanintelony ny olona.
Ka nikorotsaka nanodidina ny ôtely ny rano,
dia nasainy hofenoina rano koa ny hady.

Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra;
dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe:

“Ry Tompo Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô!
aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao,
ary izaho dia mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Mihainoa ahy, ry Tompo ô, mihainoa ahy!
mba hahafantaran’ity vahoaka ity fa Ianao no Tompo Andriamanitra,
ary Ianao ihany no mampiverina ny fon’izy ireo indray.”

Dia latsaka tamin’izay ny afon’ny Tompo,
ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany,
ary ritrany ny rano tamin’ny hady!
Nony nahita izany ny vahoaka rehetra,
dia niankohoka tamin’ny tany nanao hoe:

“Ny Tompo ihany no Andriamanitra, ny Tompo ihany no Andriamanitra!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a. 4. 5. sy 8. 11

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno.
F’Ianao re no hany ifefeko.
Hasambarako tokana an-tany.
Ka ireny sampy hamaroina,
tsy hanaovako sorona intsony;
tsy ho tononiko anarana akory.

Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala eo ankavanako Izy.

E ny lalan’ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany,
ka mameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay,
’zay mitoetra eo ankavananao
hasambarana tsy mety ritra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

11 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 7-16)

Ny lafarinina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

Tamin’izany andro izany, ritra ny ranon-driaka,
fa tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany,
ka tonga tamin’i Elia ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Miaingà ianao ka mankanesa any Sareptà, izay any Sidôna, dia mitoera any;
indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray.”

Dia niainga izy, ka nankany Sareptà.
Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy,
indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo,
dia nantsoiny ka nataony hoe:

“Aza mahafady,
mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko.”

Dia nandeha naka rano ravehivavy.
Nantsoiny izy ary nataony hoe:

“Dia mba itondray mofo kely eny an-tananao aho,
raha mba sitrakao.”

Fa hoy ny navaliny:

“Velona ny Tompo Andriamanitrao,
tsy misy zavatra masaka ao amiko;
lafarinina eran’ny tanana ila ao am-bilany
sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako.
Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao,
dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka;
hohaninay izany, dia ho faty izahay.”

Fa hoy i Elia taminy:

“Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany.
Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankatý amiko,
vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.
Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Ny lafarinina ao am-bilany tsy ho lany,
ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory
mandra-piavin’ny andro handatsahan’ny Tompo ranonorana eto ambonin’ny tany.”

Dia nandeha ravehivavy, nanao araka ny tenin’i Elia,
ka nanan-kohanina ela izy sy ny ankohonany, ary i Elia koa.
Ny lafarinina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena,
araka ny tenin’ny Tompo nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 4, 2-3. 4-5. 7-8

Aidino aminay ny hazavan’ny Tavanao, ry Tompo.

Raha miantso aho, valio, Andriamanitro,
fa Ianao re no fahamarinako.
Ary Ianao no mamonjy amin’ny sarotra,
koa iantrao ary henoy ny antsoantsoko.
Ianareo kosa, ho’aho, dia maninona,
no tia zava-poana sy fitaka?

He ny Tompo miahy ny olo-maminy.
Raha vao miantso Azy Tompo aho dia henony.
Mangovita, atsaharo ny heloka,
mandiniha eo am-pialana sasatra.

Iza hoe no hampahita fiadanana?
Asehoy ny endrikao Andriamanitra.
Ny hafaliana nomenao, ry Tompo,
mihoatra ny azy amin’ny taom-pamokarana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nitondra fanazavàna ny Ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenena sy ny OMC, manoloana ilay famaizan'ny biraon'ny SRMV tany Tsiroanomandidy. Ny 10% amin'ny voka-pifidianana ihany no may, saingy efa vita fikirakirana nialoha... ♦ Nisy ny fividianana safidm-bahoaka miharihary tao amin'ny disitrikan'i Toliara voalohany, nialoha sy nandritra ny androm-pifidianana, hoy ireo kandidà 4 amin'ny 7, any an-toerana. Nanao fanambaràna miaraka izy ireo omaly... ♦ Miroso ny asa fanamboarana lay lalam-be migodàna manomboka eo Talata-volonondry mankany Toamasina. Maminavina ny hampitombo avo roa heny ireo tanora malagasy miasa amin'izany ilay orinasa SAMCRETE, miandraikitra ny asa fanamboarana...

10 jona 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 17, 1-6)

Velona ny Tompo Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany.

Tamin’izany andro izany,
i Elia Tesbita, isan’ny mponina tao Galaada,
nilaza tamin’i Akaba hoe:

“Velona ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, izay itsanganako eo anatrehany!
Tsy hisy ando na ranonorana amin’ireto taona ireto raha tsy teniko ihany.”

Dia tonga tamin’i Elia ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mialà eto ianao, ka mandehana miantsinanana,
ary miere ao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.
Ny rano eo an-dranon-driaka no hisotroanao
ary ny goaika no efa nodidiako hamelona anao any.”

Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin’ny Tompo,
ka lasa nonina tao amin’ny ranon-driaka Karita tandrifin’i Jordany.
Nitondran’ny goaika mofo sy hena isa-maraina izy, sy mofo sy hena isan-kariva,
ary nisotro rano teo an-dranon-driaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 120, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8

Ny fitahiana ahy dia avy amin’ny Tompo, Ilay nanao ny tany aman-danitra.

Miandra any an-tendrombohitra ny masoko.
Avy aiza àry no ho tonga any izany vonjiko?
Avy any amin’Izy Tompo re ny vonjiko
fa Izy nanao ny tany sy ny lanitra.

Ary Izy tsy hamela anao ho solafaka,
satria tsy sondrian-tory fa miambina.
Tokoa tsy sondrian-tory na rendremana,
fa miambina an’i Israely re ny Tompony.

Ny Tompo miahy anao amin’ny alina;
ny Tompo eo anilanao ka miambina.
Masoandron’ny antoandro tsy afaka hisompatra;
ny volan’ny alina aoka tsy hatahorana.

Tsy voan’ny loza ianao fa ambenany
ho lavitra anao ny rofy sy ny aretina.
Miambina anao mandroso sy miverina.
Ny Tompo no toky ary Izy tsy mivadika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)

Sambatra izay mahantra am-panahy.

Tamin’izany andro izany,
nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra;
ary rahefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy, nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra,
satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

9 jona 2024 — Alahady Tsotra fahafolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-35)

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 3, 9-15)

Hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany.

Tamin’izany andro izany ny Tompo Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe:

“Aiza moa ianao?”

Hoy ny navaliny:

“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho”.

Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?”

Hoy ny navalin-dralehilahy:

“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo,
dia nihinana aho”.

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:

“Ahoana no nanaovanao izany?”

Hoy ny navalin-dravehivavy:

“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho”.

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:

“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany;
izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8

Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay

Anaty hantsana aho no miantso Anao:
Tompo ô, henoy ny feoko!
Aoka ny sofinao hihaino
itony feoko mitoreo.

Raha mitsikilo heloka Ianao, ry Tompo,
Tompo ô, iza no hahatanty?
Kanefa ao aminao ny famelàna
mba hieken’ny olona Anao.

Koa manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho;
miandry ny Tompo ny fanahiko,
manoatra ny mpiambina miandry ny maraina.

Fa ny fitiavana no ao amin’ny Tompo:
ilay fanavotana lehibe no ao aminy.
Eny, Izy no hanavotra an’i Israely
amin’ny heloka rehetra nataony.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 4, 13 — 5, 1)

Mino koa izahay, ka miteny.

Ry kristianina havana,
noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe:
Nino aho, ka niteny, dia mino koa izahay, ka miteny.
Satria fantatray fa Izay manangana an’i Jesoa Tompo ho velona,
dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa,
sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo.
Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany,
mba homena be ny fahasoavana,
ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.
Izany no tsy mahakivy anay;
satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany,
dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.
Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny
dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;
fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita;
satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity,
manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay,
dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-35)

Raha mitsangan-kanohitra ny tenany ary i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.

Tamin’izany andro izany dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory i Jesoa sy ny mpianany.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy”.

Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony”.

Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satàna?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny mahery sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra,
sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay”.

Satria hoy izy ireo hoe:

“Manana fanahy maloto izy”.

Ary tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano,
ka naniraka nampiantso azy.
Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao”.

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitra-pon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ May ny ampahany amin'ny voka-pifidianana any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, taorian'ny famaizan'ny biraon'ny SRMV ny sabotsy maraina teo ; nitondra fanazavàn ny eo anivon'ny CENI... ♦ Miseholany tsikelikely ny fanoherana ny voka-pifidianana.  Nidina nanao fampitahàna teny amin'ny CENI ny 4 amin'ireo kandidà ao amin'ny boriborin-tany fahatelo. PV miisa telo no tsy hita eny Alarobia, hoy izy ireo... ♦ Azo fantarina mialoha manomboka izao ireo haban-tseranana sy ireo vola rehetra ilaina amin'ny fanafarana entana. Nampahafantarina ny herinandro teo ny fitaovana momba izany, antsoina hoe "plateforme e-tarif"... ♦ Mbola hitazona ny fampihenàna ny famokarana solika ny OPEP+...

Ilaina hatsaraina ny vavaka ary tokony halalinina satria indraindray dia lasa fahazarana ny mivavaka, efa fombafomba sisa, maro koa mivavaka noho ny henatra ny hafa. Ny tena sarobidy dia ny hoe : fiainantsika ny mivavaka, sakafo mamelona antsika, hery, ary azo lazaina filàna fototra ho an'ny Kristiana. Ianarana ny mivavaka, ary na ny Apôstôly aza dia nangataka tamin'i Jesoa hoe : ampianaro mivavaka izahay. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Nirehitra androany tamin'ny 3 maraina ihany koa ny SRMV ao Tsiroanomandidy... ♦ Nanamafy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy fa ani Madagasikara ireo biby naondrana an-tsokosoko tany Thaïlande. Hihazo an'ity firenena ity Andriamatoa Ministra amin'ny herinandro hitsidika... ♦ Nihetsika ny tany halina tamin'ny 11 ora sy 03 minitra... ♦ Mahazo vahana ny famonoana kandidà any Mexique, tafakatra 25 isa, ireo maty roa andro mialoha ny fifidianana...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...