♦ Nomelohin'ny PAC na ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, asa anterivozona 10 taona ireo olona telo tsy niatrika ny raharaham-pitsarana azy notanterahina ny alatsinainy teo, mahakasika ny raharaha tambi-karama teo anivon'ny orinasa JIRAMA... ♦ Hifarana ôfisialy amin'ity tapak'andro maraina ny 15 mey ity manerana ny distrika 120 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RAL 2024... ♦ Ny kianja ao an'i Pretoria any Afrika-atsimo no nosafidian'ny federasiôna Malagasy ny baolina kitra, hanaovana ny fihaonan'i ekipam-pirenena Malagasy amin'i Comores sy Mali amin'ny fifaninana hiatrehana ny Mondial 2026... ♦ Vokatry ny ady eo amin'i Israël sy Hamas : olona maherin'ny 450.000 no voatery nafindra toerana...
Marina fa hery sipernatoraly ny fitiavana, hery ao anaty mivelona sy miaina izay mampiavaka ny olombelona. Mety manana ny faniriany sy hetaheta ilainy ny fitiavana saingy azo fehezina ho an'izay misaina. Ny tsirairay no mibaiko azy satria samy manana azy ny olombelona rehetra. Ny fahalemen'ny tanora maro dia maika loatra ny hiteny hoe "tiako ianao" "izaho koa tia anao". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
♦ Namory ireo mpikambana anatin'ny rafitra tsy maharitra ho an'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny CENI androany. Nampahafantarina nandritra izany ny fizotran'ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Hotanterahana ny 14 sy 15 nôvambra 2024, etsy amin'ny CCI Ivato ny CEO Business Forum. Maherin'ny 25 ireo firenena handray anjara... ♦ Tombanana hisy andro ratsy hiforona ao avaratry ny nosy amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vina avy amin'ny Météo Madagasikara...
Ny Profesora Rakoto Ratsimamanga no tena betsaka olona mahafantatra no izy nahavita nanangana toerana afahany maneho ny asa-karoka nataony sy nanoratra boky. Ny Dokotera RASAMIMANANA Joseph anefa no nambaran'itsy voalohany fa nampianatra azy ary nambarany fa "SAVANT" lavitra noho izy "Rakoto Ratsimamanga". Vao 10 taona monja dia efa lina sy nahalalana ny rafi-batan'olombelona ny Dokotera RASAMIMANANA Joseph ; mpianatra nandranto fianarana tamin'ny sekoly misiona (prôtestanta sy katôlika) izy ; tamin'ny faha-20 taonany no nalefa nianatra tany ivelany izy. Mpampiavaka ity dokotera "savant" ity ny fihezahany nampianan-tena, liam-pahalalana, nitozo mafy tamin'ny fikarohana, tia manao soa indrindra fa fitsaboana...
Masina sy voatokana ny firaisana ara-nofo, ary ampahafantarina ny tanora, indrindra amin'ny fandalinam-pinoana ho firosoana amin'ny Sakramentan'ny Fankaherezana. Ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy, ara-pananahana dia fitaovana ho entin'Andriamanitra hiarahana miasa amin'ny zanak'olombelona hitehirizana ilay aina avy Aminy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
♦ Entina amintsika amin'izao vaovao izao ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Afaka niditra teny amin'ny Kianja 13 mey ihany ny fikambanan'ny Hetsika Mai 72 androany, na tsy nahazo lalana avy amin'ny Préfet aza... ♦ Niakatra teny amin'ny PAC androany, ireo olona valo voarohirohy tamin'ny raharahan'ireo sokatra sy gidro tratra tany Thailande...
♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...
♦ Tsy navela hanaterana fehezam-boninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny maraina teo. Tsy nahasakana ireo mpikamban'ny "hetsiky ny 13 mey" tonga teny an-toerana anefa izany... ♦ Tale teo aloha 36 isa eo anivon'ny JIRAMA no miatrika fitsaràna eny amin'ny PAC androany. Vesatra hanenjehana azy ireo amin'izany ny fandraisana tambin-karama mihoam-pampana izay misy tafakatra 1 miliara Ariary... ♦ Niitatra tamin'ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ilay tranga fitifirana tovolahy tetsy Antalamohitra-Ambohibao ka nisy ireo naratra... ♦ Noesorin'i Vladmir Poutine ny Ministry ny Fiarovana Rosiana, Sergueï Choigou. Fanesorana no fanovàna tampoka ireo mpikamban'ny governemanta, alina...
♦ Napetraka ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, araka ny fomban'ny Eglizy omaly, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko ny biby arovana sy hazo sarobidy amin'izao manakaiky fifidianana izao. Tranga efatra no niseho tato ho ato, hoy ireo Fiaraha-monim-pirenena 73, raha nanao fanambaràna ny sabotsy teo... ♦ Tafakatra hanao "Mondial" diviziôna fahatelo ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny baolina lavalava. Lasan'i Afrika atsimo ny tompondakan'i Afrika, nandritra ny lalao teny Andohatapenaka omaly tolak'andro... ♦ Mbola mitohy ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any amin'ny Faritra Gaza. Teratany palestiniana 20 isa no namoy ny ainy tany Jabalyia, vokatr'izany omaly...
Mba hanomanana ny ho avy dia tokony halefa mianatra any an-tsekoly ny ankizy sy ny tanora raha mbola misy ny fahafahana, tombontsoa ho azy ireny izany sady ho an'ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ho fanampiana ny fanabeazana any an-tsekoly dia tsara ny fampidirana ny ankizy na ny tanora amin'ireny karazana fikambanana fibeazana ireny, any dia misy fitsipika sy lalàna mahasoa. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Ao an-tokantrano no sekoly voalohany ho an'ny ankizy, noho izany dia miainga ao anivon'ny fianakaviana ny fanabeazana. Fanabeazana miainga amin'ny fifampiresahana, amin'ny fanoroana ny ankizy mba handray andraikitra ary hifanakalo hevitra, ireny dia fomba hahaizan'ny tanora manao ny safidy sy miatrika ny vokatry ny safidiny. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
♦ Natao teto Antananarivo nandritra ny telo andro ny fivoriana voalohany fiomanana amin'ny fanolorana ny pôlitika ara-barotr'i Madagasikara any amin'ny OMC, na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra... ♦ Nidina ny vidin'ny vary gasy manerana ny distrika miisa 9 any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Anatin'ny fararano fiakaran'ny vokatra ny any an-toerana amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola mivaha hatramin'izao ny olan'ny fananan-tany ao amin'ny kaominina Betsoana distrika Mandoto Faritra Vakinankaratra. Miantso ny fitondrana hamaha ny olana misy ny mponina ao an-toerana... ♦ Mbola miaina tondra-drano govana ny any Bresil amin'izao fotoana izao. Olona 100 mahery no maty...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco