♦ Manokatra varavarana hiainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana hoy ireo ray aman-dreny filoha-piangonana no tanjona nandritra ny fanambarana nataon'izy ireo... ♦ Diso fahavalo ny vahoaka mpanao fihetsiketsehana eny an-dalambe amin'izao fotoana izao hoy ny filoham-pirenena. Hampihato ny tetik'asa ataony eto Madagasiara ny Banky iraisam-pirenena raha mbola mitohy ny krizy politika... ♦ Nahery vaika indray ny fanaparitahan'ny zandary, polisy ary ny tafika ny hetsika nataon'ny vahoaka teto Antananarivo, omaly. Hamory vahoaka eny Antsonjobe koa ny mpomba ny fitondrana...
Manohy miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ireo iraka manambara ny Teniny sy mampahatsiahy ny Fanekena nataony tamin'ny vahoakany. "Teny marin'Andriamanitra" nampitain'ny olona "notsilovin'Andriamanitra" ny Testamenta Taloha. Ny mpaminany no mampatsiahy ireo mpanjaka ny lalàn'Andriamanitra, voaenjika koa anefa ireo mpaminany... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Ao amin'i Jesoa Kristy no tanteraka ny voalaza rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Na dia nosilovin'Andriamanitra aza ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha dia azo lazaina fa tsy afa-miala amin'ny tontolo nisy azy ary tsy maintsy nanao izany araka ny maha-izy azy ny tenany. Zava-dehibe ho an'ny kristiana ny Testamenta Taloha, fanomanana ny fiavian'i Kristy... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Nitohy androany tolak'andro, rehefa nihato omaly ny hetsika ataon'ny tanora Gen Z, saika hiditra ny kianjan'Ambohijatovo sy Analakely. Mahery vaika ny fanakanana nataon'ny mpitandro ny filaminana azy ireo, tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaro... ♦ Fanindroany tato anatin'ity herinandro ity no nitafa tamin'ny vahoaka Malagasy tao anatin'ny fahitalavi-panjakàna ny filoha Rajoelina Andry. Isan'ny navoitrany tamin'izany ny filazàna fa tratry ny "cyber-attaque" i Madagasikara ankehitriny ka "robot" no entina mibaiko ireo tanoran'ny Gen Z... ♦ Manohana amin'ny alalan'ny ody-ambavafo sy rano ireo mpanao gazety eny an-kianja ireo fikdambanana samihafa...
Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao amin’nydistrikan’Ambatoboeny ankehitriny. Miatraika amin’ny famokaran’ny tantsaha any amin’iny faritra Boeny iny mantsy ny
fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny. Azo atao tsara nefa ny miatrika izany amin'ny fampiasàna ireo tekinika fambolena miaro ny tontolo iainana na ny Agroécologies. Zavatra maro no tombony azo avy amin'ny fampiharana azy io dia ny nofon-tany maharitra sy mihatsara hatrany, vokatra mahasalàma, maharitra vao simba rehefa tahirizina. Antony nahatonga ny fikambanana “MIARA-MIZOTRA” ifototra bebe kokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo....
• Efa mizotra moramora hamonjy ao afovoan-tananan'Antananarivo ireo mpanao fihetsiketsehana. Hentira ny sakana ataon'ny mpitandro ny filaminana... • Tsy handray ireo olona tokony hampidirina am-ponja, ao anatin'ny telo andro, ny Sendikan'ny Mpandraharahan'ny Fonja... • Rariny ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filohan'ny Repoblika, satria tsy nahavaly ny filan'ny vahoaka ny vokatra avy amin'ny Governemanta, hoy ny Minisitra teo aloha misahana ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Max Andonirina Fontaine...
Ao anatin’ny toe-draharaha voamariky ny krizy politika sy ara-tsosialy lalina, ny fandaharana EVA amin’ny 02 Oktobra 2025 dia mikendry ny handalina ireo olana lehibe mifandraika amin’ny asa mendrika eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny adihevitra sy fifanakalozana eo amin’ny sendikà sy ny mpisehatra amin’ny fiaraha-monim-pirenena, entina hanehoana amin’ny fomba mazava ny zava-misy eny ifotony, ireo sakana ara-drafitra sy ara-pitondrantena izay manakana ny fametrahana asa manaja ny maha-olombelona, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Ahiana hafampana amin'ny hetsika anio zoma ny ao Antananarivo Renivohitra. Hiverina an-kianja, rehefa niato iray andro, ireo mpanao fitakiana sy fihetsiketsehana... • Voaresaka teo amin'ny Olafitry ny Mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana teny Anosy omaly, ny fisorohana mba tsy hiverenan'ny heristra an-kianja. Naharitra ora iray sy sasany ny fihaonana... • Nadefa taratasy fangatahana any amin'ny Filoha, hahafahan'ireo tanora maneho hevitra eny amin'ny Kianjan'Ambohijatovo na eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ny mpanakanto...
Ny hita ao anatin'ny Testamenta Taloha dia tantaram-pamonjena ho an'ny olombelona. Nifidy vahoaka iray Andriamanitra, nanehoany ny fitiavany hamonjy ny olombelona. Andriamanitra no nifidy an'i Abrahama, izay niavian'ny mpamonjy (Abrahama - Isaaka - Jakôba - Josefa) ; miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ny iraka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Nifanipa-kevitra ireo Solombavam-bahoaka, momba ny raharaham-pirenena. Nilaza ny hisokatra amin'ny hery rehetra ireo depiote manohana ny fitondrana, amin'ny fanendrena ny Praiminisitra. Nitsipaka izany ny mpanohitra... • Tafajoro androany ny Komity Mpandrindra ny Tolona, hitarika ny fitakiana an-dalambe nisy tato anatin'ny herinandro. Mangataka ny hanokafana ny Kianjan'ny 13 mey ireo mpanakanto sasany... • Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha ireo mpiasan'ny fahaslamana anatin'ny sendika TRIADE, amin'izao. Roa andro androany izy ireo no nanao “sit in” eny anoloan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy...
♦ Maneho ny alahelony manoloana ny herisetra sy ny aina nafoy amin'ny tranga misy eto Madagasikara izao ny masoivohon'ireo firenena tandrefana ary ny delegasiôn'ny Vondrona Eraopeana. Manamafy ny maha-zava-dehibe ny tany tan-dalàna sy ny fanajàna ny zo fototra toy ny fahalalahana maneho hevitra sy mivory am-pilaminana... ♦ Manao hetsika mitaky ny zony koa ireo mpampianatra amin'ny Faritra maro eto Madagasikara. Isan'izany ny ao Vakinankaratran Amoron'i Mania... ♦ Tombanana ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny morontsiraka ho an'ny anio sy rahampitso 3 oktobra, raha ny vinavina avy amin'ny Météo...
♦ Miangavy ny olom-pirenena Malagasy ny Arsevekan'i Toamasina, Mgr Désiré Cardinal Tsarahazana mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba ahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha manahirana eto amin'ny firenena izao izy... ♦ Nahery vaika ny fanenjehan'ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ny tolak'andro teo, tao Antananarivo-renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... ♦ Voapetraka omaly antoandro teny amin'ny Fitsaràna Anosy ny fitorian'ny holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco