Ny Hainteny : Lahabolana mirindra, feno ohatrohatra enti-mampita hevitra amin'ny fomba miolaka, amin'ny ankapobeny dia ifamaliana ity karazana lahabolana ity, izany hoe misy miantso (antso) dia misy manoina (setriny). Misy ihany anefa ny hainteny tsoa-tokana, arakaraka ny votoatiny. Ny Merina no miangaly ny hainteny amin'ny maha hainteny azy, satria mety hisy karazan-dahabolana mitovitovy aminy fanaon'ny foko na faritra hafa. Amin'ny ankapobeny dia fifampiantsiana fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy ny hainteny...

♦ Sokafana anio Talata 19 mey eny amin'ny FJKM Ankadikely-Ilafy ny fihaonamben'ny FFKM, handinihan'izy ireo ny momba ny raharaham-pirenena... ♦ Noesorin'ny Antenimieram-pirenena taminy ny zo tsy azo hivalozana ho an'ny solombavambahoaka Naivo Raholdine, ny Fitsaràna no manapaka ny tohin'ny raharaha hanenjehana azy hoy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko... ♦ Ramatoa lehibe iray 60 taona voasoloky 30 tapitrisa Ariary tamina raharaha fividianana tany teny amin'ny faritra By-Pass, misy olom-boafidy miaro sy miditra an-tsehatra eny amin'ny Fitsaràna ilay mpisoloky...

♦ Hosokafana rahampitso talata 19 mey eny amin'ny FJKM Ankadikely-Ilafy ny fihaonamben'ny FFKM. Handinihana ny fiainana anatin'ny FFKM sy ny raharaham-pirenena izy io... ♦ Nosoniavina androany teny amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny teny Anosy ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fenitra ara-pahasalamana, ho an'ny fanondranana ny voanjo vokatra eto Madagasikara mankany Chine... ♦ Hampihemotra ireo mpizahan-tany vahiny ho avy eto Madagasikara ny fampiakarana saram-pidirana avo roa heny, eny anivon'ireo valan-javaboahary tantanan'ny Madagascar National Park...

♦ Nitondra fanazavana momba ny fihaonambe izay tanterahana nanomboka androany ny FFKM... ♦ MIsy ireo solontenan'ny mponina velon-taraina amin'ny karazana tsindry ataon'ny olom-boafidy any Ankazoabo... ♦ Nazava ny fandresen'ny Disciples FC ny Fosa Junior tamin'ny lalao mandroso amin'ny ampahefa-dalana ho an'ny fiadiana ny ho tompon-dakan'i Madagasikara, izay natao tany Mahajanga... ♦ Hanatanteraka fitsidihana apôstôlika any Frantsa ny Papa Léon-XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra amin'ity taona 2026 ity...

---/...Entin’ny Arofanina hitodika tany amin’ny 8 volana lasa ianao hamarin-tadidy ny fitakiana nataon’ireo mpitarika ny tolona notronin’ny vahoaka tamin’ny fitondrana teo aloha. Fitakiana isany niavaka ary pitik’afo nandrehitra ny hetsika nataon’ireo mpitolona tamin’ny 25 Septembra 2025 ny jiro sy rano izay filana fototra amin’ny fiainana andavanandro ka nahatonga azy telo mianadahy tsy zovina intsony ny anarany, dia i Babà, Lily ary Clémence, hitarika bidon jaune nanoloana ny lapan’ny Antenimierandoholona teny Anosikely...

♦ Fitaovana hanampy amin'ny fifandraisana ny teknôlôjia fa tsy hanolo ny olombelona, hoy ny hafatry ny Papa Léon-XIV, tamin'ny fankalazana ny andro maneran-tany faha-60 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Hanao ny kômity foibe faha-47 sy fihaonambe hiaraka amin'ny ratsamangaikany ny FFKM amin'ity heriandro ity... ♦ Hiray feo indray ny GEN-Z raha ny nambaran'ireo tanora nidina teny Ambohijatovo ny sabotsy teo... ♦ Manitatra ireo fanafihana ataony any Liban i Israely na dia nohalavaina aza ny fifanarahana fampitsaharana ny ady eo amin'ny roa tonta...

♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary. Raharaha anenjehana azy ny fikasàna hanao hetsika fanakorontanana sy fanonganam-panjakàna... ♦ Isan'ny nampandringa ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara ny tsy fananan'ny rehetra sehatra ahafahana mandray anjara sy manolo-kevitra momba ny raharaham-pirenena. Antony mahazava-dehibe ny hametrahana ny Filan-kevitra ara-toekarena - sôsialy ary kolontsaina hoy ny ROHY... ♦ Mitaky ny handoavana ny tambin-karama momba ny fitsaharana amin'ny asany ireo miaramila efa misotro ronono...

Alahady 17 mey 2026 - Alahady faha-7 - Taona A fankalazana ny Paka : Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra - Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo. Ny faharetana mivavaka sy ny firaisan-tsaina no toetra tsara indrindra hiandrasana ny fanomezan'ny Fanahimasina, sady fiomanana tsara indrindra hitsenana ny Pantekôty. Sarotra ny mampifanaraka ny voninahitra sy ny fijaliana anefa azo atao izany rehefa miaraka mitolona amim-bavaka miaraka amin'i Jesoa...

Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Miantso ny sekoly tsy miankina hanoka-baravarana amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa hisitrahan'ireo mpianatra ny laharana Tokana Famantarana azy (N.U.I.S) ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Natomboka omaly ny andron'ny sekoly katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nampidirana am-ponja vonjy maika eny amin'ny Fonjan'Antanimora ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary. Omaly izy no niakatra teny amin'ny Fampanoavana... ♦ Notokanana omaly ny fitaovana fanadiovan-drano vaovaon'ny JIRAMA eny Mandroseza. Rano fanampiny ho an'ny mponina eto Antananarivo...

Ny 13 mey dia andro ahatsiarovana tranga miavaka : Nisehoan'i Masina Maria tany Fatima, eo koa ny tantaran'ny Papa Joany Paoly-II, indrindra ny tantaran'ny Firenena Malagasy. Very fanahy ny vahoaka vokatry ny rivotry ny fitantanana ankehitriny, izay tsy azo adika fa lavitr'ilay fampanantenana. Mandrisika ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hanao vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly, ny asa ho an'ny vahoaka, fijerena ny soa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

• Hiampy 42.000 m3 isan'andro atsy ho atsy ny rano vatsian'ny Jirama ho an'ny mponin'Antananarivo. Nanomboka nampiasaina sy notokanana androany ny fitaovana fanadiovan-drano vaovao eny Mandroseza... • Homena lanja ny fijerena ireo tena marefo ara-pivelomana, mandritra ny iray volan'ny fiahiana ara-tsosialy. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany teny Analakely izany hetsika izany, sady nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fianakaviana... • Nanapa-kevitra ny komity mpikarakara ny fifaninana ara-panatanjahan-tena ho an'ny orinasa fanaovan-gazety, na ny Inter-média, 2026, fa ahena ho 1 hetsy Ariary ny sara-pisoratana anarana ho an'ny taranja baolina kitra sy ny Basketball...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...