22 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)
21 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 51-59)
20 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
♦ Kendrena ny 40% amin'ny vahoaka Malagasy no hahazo karan-tany eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny filohan'ny repoblika tany Toamasina. Tsy azo ekena ny fangalarana ny tanin'ny vahoaka Malagasy hoy izy...♦ Hihena be ny fahata-pahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina afaka volana vitsy, raha ny nambaran'ny tale kabonetran'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Ho tanterahina ny 25 hatramin'ny 28 avrily ho avy izao ny tsenaben'ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, na ny FEPA andiany faha-16... ♦ Nody mandry omaly i Kalid Batarfi lehiben'ny AQPA any Yemen... Niroso tamin'ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana i Portugal omaly...
Ny volana Alohotsy no volana mamarana ny taona ka ny vody alohotsy no hitana amin'ny Alamady izay misy ny andro taom-baovao raha ny fankalazana nofaritan'ny Trano kolotoraly Malagasy. Ny antony nampisampana ny hevitra momba ny andro hanamarihana ny taom-baovao dia noho ny teny midina nomen'ireo andria-manjaka nitondra ny tany sy ny firenena ; maro no namadika ny taom-baovao hifanaraka amin'ny tsingerin-taona nahaterahany. Ny afo tsy maty dia azo alaina amin'ireo olona, izay velon-dray aman-dreny, manana afo mirehitra. Ny rano hidiovana na hanaovana fafirano dia rano nafanaina tamin'ny vilany tany vaovao na vilany vaovao, hapetraka eo an-joro firariazana, alaina amin'ny tanana ny rano ary hatao an-tampindoha ka harahina teny hoe : "sambasamba Andriamanitra Andriananahary, ho arivo ho tratry ny taona, tsy hisara-mianakavy izahay"...
19 marsa 2024 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 42-51a)
18 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 1-11)
17 marsa 2024 — Alahady Fahadimy amin'ny Karemy — Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 31-34)
Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy,
nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely,
rehefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo: —
Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izy ireo ho oloko.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe:
“Mahalalà ny Tompo”.
Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra na ny kely na ny lehibe, — teny marin’ny Tompo. —
Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 50, 3-4. 12-13. 14-15
Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho
diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Dia hatoroko ny meloka ny lalanao
ka hiverina aminao ny mpanota.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 5, 7-9)
I Kristy, tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana,
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)
Tamin’izany andro izany,
nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety,
nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea,
ka nihanta taminy nanao hoe:
“Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay”.
Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre,
ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.
Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona.
Lazaiko marina dia marina aminareo
fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy;
fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
Izay tia ny ainy no hahavery azy,
fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao
no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy,
ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.
Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.
Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko,
ka inona re no holazaiko?
Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity.
Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao.
Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao”.
Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:
“Efa nomeko voninahitra Izy,
ary mbola homeko voninahitra indray”.
Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe:
“Kotro-baratra izany”;
fa hoy kosa ny sasany hoe:
“Anjely niteny taminy izay”.
Dia hoy i Jesoa hoe:
“Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.
Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao;
ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina.
Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany
dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy”.
Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan'ny Kristiana ny fanendren'ny Papa François an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa ho Eveka vaovao hitantana ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Nanolotra fanampiana samihafa ho an'ireo tovolahy mpiofana ao amin'ny seminera Prôpedetika Amboara Ambohidratrimo ny "VKM" Vehivavy Misiônera Katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niavaka sy nakotroka ny fankalazana ny famaranana ny taona sy ny taom-baovao Malagasy tamin'ity taona ity. Loha-hevitra nampisalorana izany ny hoe "fifamelana fiombonana, firindrana"... ♦ Tafakatra 31.045 ireo teratany Gazaoui namoy ny ainy vokatry ny ady eo amin'ny Hamas sy ny Tafika Israeliana, raha ny tatitry ny Hamas...
Miantefa amin'ny ray aman-dreny, mpampianatra, ary mpanabe ny antso ; aza avela hiaina irery ao anatin'ny tsy fahalalana sy ny fisalasalana ny tanorantsika fa ampio ary henoy. Ny fanalan-jaza dia famonoana olona an-kitsirano izao ; aza mirona amin'io fihetsika mamoafady io. Mety hamingotra ny aina ny fanalan-jaza satria ohatra vehivavy iray amin'ny 25 no maty, teo am-panalan-jaza tao amin'ny Maternité Befelatanana tamin'ny 1997. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Ny sakramantan'ny fampihavanana dia ny penitasy izay sakramenta manafaka ny fahotana taorian'ny Batemy. Tamin'i Jesoa nilaza tamin'ny Apôstôly hoe "raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavelo ary izay ho tananareo dia ho voatana" no nanaovan'i Jesoa Kristy ny "penitasy". Ny manafaka ny fahotana amin'ny penitasy dia famotsorana omen'ny Pretra. Ny famotsorana dia famelan-keloka homen'ny Pretra. Misy dingana tokony hajaina rehefa handray ny sakramentan'ny penitasy : fandinihan-tena, manao fiampangan-tena, manantona ny pretra mamboraka ny fahotana, manatanteraka ny asa fanonerana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco