Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 28, 1-10)

Olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra akory, na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
Ry zanak’olona, lazao ny mpanjakan’i Tira hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Noho ny fonao nanandra-tena, sady ianao nanao hoe:
“andriamanitra aho,
no ipetrahako eo anivon’ny ranomasina, seza fiandrianan’Andriamanitra”;
nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsy akory,
na dia ataonao ho toy ny fon’Andriamanitra aza ny fonao!
— Indro ianao fa hendry noho i Daniely, tsy misy zava-takona miafina aminao;
tamin’ny fahendrenao amam-pahalalanao, nahazo harena ho anao ianao;
ka nahangona volamena sy volafotsy miavosa, ho ao amin’ny rakitrao;
tamin’ny halehiben’ny fahendrenao, tamin’ny varotrao, hampitombo ny harenao,
ka dia nanandra-tena ny fonao azon’ny harenao. —
Noho izany, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Satria nanao ny fonao ho toy ny fon’Andriamanitra ianao,
noho izany dia indro, hitondra firenen-kafa hamely anao Aho,
dia firenena masiaka indrindra amin’ny firenena;
hotsoahany ny sabany hamelezana ny filohan’asan’ny fahendrenao,
ary hohamavoiny ny famirapiratanao.
Havariny any an-davaka ianao,
ka ho faty amin’ny fahafatesan’izay voavono ao anatin’ny ranomasina.
Ianao va mbola hilaza hoe: andriamanitra aho, eo anatrehan’ny mpamono anao;
nefa olombelona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona,
eo an-tanan’izay mamono anao?
Toy ny fahafatin’ny tsy voafora no hahafaty anao, amin’ny tanan’ny hafa firenena;
fa Izaho no niteny izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 26-27ab. 27de-28. 30. 35de-36ab

Izaho no mahafaty sy mahavelona.

Saika hataoko hoe: hofaohiko amin’ny indray mitsoka ireo,
hofoanako tsy ho eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,
raha tsy noho ny tahotra ny hireharehan’ny fahavalo,
sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy.

Ka hilaza hoe: ny tananay no nahery.
Fa tsy ny Tompo no nanao izany rehetra izany.
Fa firenena tsy manam-pahendrena izy,
ary tsy misy saina eo aminy.

Hataon’ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo,
hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina
raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy,
raha tsy ny Tompo no efa nanolotra azy?

Fa antomotra ny andro hahitany loza,
ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
Fa homen’ny Tompo rariny ny vahoakany,
ary noho ny mpanompony dia hanenina Izy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe:

“Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?”

Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

“Tsy hain’olombelona izany,
fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”

Namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao,
ka inona àry no ho azonay?”

Hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana,
ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany;
ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo,
ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Ary izay rehetra handao ny tranony, na ny rahalahiny, na ny anabaviny,
na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny,
noho ny Anarako, dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Nefa maro izay voalohany no ho farany,
ary maro koa izay farany no ho voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Ho voavaha tsy ho ela ny olan'ny fahatapahan-jiro eny amin'ny Cité R+1 eny Ankatso faharoa... ♦ Atsaraina ny fitantanana ny fako ao Antananarivo Renivohitra misy tetik'asa iarahana amin'ny fitondrana Japoney... ♦ Mbola tsy mety tapitra ny resaka momba ny fanemorana ny fifidianana ben'ny tanàna izay hatao ny 11 desambra izao... ♦ Manodidina ny 100 isa ireo olona voasambotra noho ny fihetsiketsehana nisy tany Grande Bretagne ny faran'ny herinandro teoo... ♦ Nahazo fiaramanidina mpiady maromaro avy amin'i Etazonia i Ukraine...

Alahady faha-18 mandavantaona — B : Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Izay manatona an'i Jesoa Kristy, tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Azy tsy hangetaheta. Ny fimonomononana dia toetra andavanandron'ny tanora miala sakana, tsy mety manaiky sy mandray ny zava-misy, tsy mahatsapa izay tsara mahasoa azy, ary mikomy sy midongy amin'ny ray aman-dreny toa ity voalaza amin'ny vakin-teny voalohany ity izay toetran'ny vahoaka nanoloana an'i Môizy. Avy amin'ny teny hebrio "manne - o" izay midika hoe "inona itony" no niavian'ny anaran'io mofo avy any an-danitra io....

♦ Hoarenina ny ONE eny Antaninareina. Dingana manaraka hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny firesahana amin'ny mpiara-miombon'antoka... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny Malagasy manao fiantohana ny ainy sy ny fananany. Tsy misy afa-tsy 1% ny anjara entiny ao amin'ny PIB... ♦ Hanamarika ny faha-30 taona niakarany an-tsehatra etsy Antsahamanitra ny tarika Tirike sy ny mpandihiny. Fampisehoana hatao rahampitso tolakandro... ♦ Nohamafisin'ny fahefana misahana ny fifidianana any Venezuella omaly ny voka-pifidianana ka nahalany indray ny filoha amperin'asa Nicolas Maduro, hitondra ny tany sy ny fanjakàna indray...

♦ Nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe eran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Saleziana tao Rome omaly ny Kardinaly Angel Fernandez Artime. Fihaonambe hatramin'ny alarobia izao miompana amin'ny loha-hevitra hoe " Mamolavola ho an'ny ho avy mamiratra"... ♦ Hiara-hiasa hiantoka ny fampiasam-bola sy ny fintantanana ny loza mety hitranga ny EDBM sy ny trano fiantohana ARO. Nosoniavina omaly teny Antaninarenina ny fifanarahana momba izany... ♦ Hanao fihaonambe eto Antananarivo ny sabotsy 31 aogositra izao ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy na ny K.I.M.M. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara hoy izy ireo nandritra ny fihaonana teny Faravohitra...

♦ Nanatrika ny fanokafana ny fihaonambe eran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona ho an'ny Salezianina tao Roma androany, ny Kardinaly Ángel Fernández Artime. Fihaonambe miompana amin'ny lohahevitra: “Mamolavola ho an'ny hoavy mamiratra"... ♦ Hiara-miasa amin'ny fiantohana ny fampiasam-bola sy ny fitantanana ny loza mety hitranga ny EDBM sy ny trano fiantohana ARO... ♦ Hanao fihaonambe eto Antananarivo, ny sabotsy 31 aogositra 2024, ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, na ny KIM. Marary ny tontolon'ny asa eto Madagasikara, hoy izy ireo androany...

♦ Notanterahana nanomboka ny 31 jolay ary nifarana androany 2 aogositra 2024, ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy. Foto-kevitra niainana tamin'izany ny hoe: “Eglizy iraka”... ♦ Samy hanatontosa ny JMJ, ireo Vikaria efatra mandrafitra ny Diôsezin'i Mahajanga, mandritra ity volana aogositra ity... ♦ Notanterahana tany Roma nanomboka ny 29 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2024, ny andiany faha-13 amin'ny fivahinianana masina ataon'ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpiservy...

♦ Manomboka androany any Roma ny fihaonambe maneran-tany momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, ho an'ny Saleziana. Manana solontena any an-toerana ny avy aty Madagasikara... ♦ Malaina ny hiatrika fifidianana ny fitondrana ankehitriny raha ny zava-misy amin'izao, hoy ny antoko MFM. Nambaran'izy ireo fa efa nampoizina ny fihemoran'ny fifidianana Ben'ny Tanana, izay mety ho amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fandratrana mpianatra teny Vontovorona omaly, ny Seces Sampana Antananarivo...

♦ Tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe. Nambaran'io firaisamonim-pirenena io fa efa zara raha mandeha ny fampandehanan-draharaha eny anivon'ny Kaominina... ♦ Nahazo vola maherin'ny 16 tapitrisa Ariary, ny lehilahy iray nilaza fa mahatafiditra mpiasam-panjakana teo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Olona 12 no voasolokiny... ♦ Mpianatra iray no naratra mafy omaly nandritra ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana teny amin'ny Oniversite Polytechnique Vontovorona. Voalazan'ireo mpianatra tifitra nataon'ny mpitandro ny filaminana no nahatonga ny ratra...

♦ Efa zara raha mandeha ny fampandehan-draharaha amina Kaominina maro, ka tokony hotanterahana amin'ity taona ity ny fifidianana, hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Ny 43%-n'ireo mpila raharaha no efa niharan'ny kolikoly amin'ny fikarakarana antontan-taratasy momba ny fananan-tany, raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International. Navoaka androany teny Andrainarivo ny momba izany... ♦ Olona 12 no voasolokin'ny lehilahy iray, milaza fa mampiditra mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Vola 16 tapitrisa mahery no azony tamin'ireo olona ireo. Natolotra ny Fampanoavana androany, io lehilahy io...

♦ Azo tanterahana amin'ny 11 desambra 2024 ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina hoy ny filan-kevi-panjakàna. Tsy tokony hihoatra ny 31 desambra kosa ny fanatanterahana izany araka ny didy navoakany... ♦ Maro ny asa hotanterahana amin'ny fampiharana ilay fehezan-dalàna vaovao momba ny harena ankibon'ny tany. Isan'izany ny fijerena ireo orinasa mpisehatra amin'ny harena ankibon'ny tany... ♦ Hanampy ireo mponina ao amin'ny ilany atsimon'ny Faritra atsimo-andrefana i TIRIKE. Fampisehoana roa no hotanterahany eto an-drenivohitra amin'ity herinandro ity hanangonana vola hanaovana foto-drafitr'asa ho azy ireo...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 24, 15-24)

I Ezekiela no famantarana ho anareo.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry zanak’olona, indro hesoriko tampoka aminao,
amin’ny indray mitselatra monja, ilay fifalian’ny masonao;
nefa aza midradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory.
Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty.
Ataovy amin’ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao,
aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana.”

Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho,
ka ny harivan’izany ihany dia maty ny vadiko;
ary ny ampitso maraina indray dia notanterahiko izay nandidiana ahy.
Ka hoy ny olona tamiko:

“Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin’izao ataonao izao?”

Dia izao no nolazaiko tamin’ireo:

“Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo nanao hoe:
Lazao amin’ny taranak’i Israely hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina,
ilay reharehan’ny herinareo, fifalian’ny masonareo, fitiavan’ny fanahinareo
ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo,
izay nilaozanareo.
Amin’izany ianareo, hanao toa izao nataoko izao:
tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana.
Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo,
tsy hidradradradra na hitomany,
fa hihalevona ao anatin’ny helokareo ianareo,
ka hitoloko eo am-pifanilanareo.
I Ezekiela no famantarana ho anareo;
izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany;
dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 18-19. 20. 21

Ilay Andriamanitra nahitanao masoandro, hadinonao.

Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao
ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
Nahita izany ny Tompo ka tezitra,
nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.

Hoy Izy: hafeniko azy ny tavako,
dia ho hitako izay hiafarany.
Fa taranaka mpivadibadika izy,
zaza tsy manana hitsim-po.

Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy
ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona,
ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho,
sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)

Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao.

Indray andro, nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy Izy namaly azy:

“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.”

Dia hoy izy hoe:

“Didy inona avy?”

Dia hoy i Jesoa:

“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy ilay tovolahy taminy:

“Hatra ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”

Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...