Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 9, 1-6)

Hano ny mofoko ary sotroy ny divaiko izay nampifangaroiko ho anareo.

Ny Fahendrena efa nanorina ny tranony,
efa nipaika ny andriny fito,
efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,
ary namboatra ny latabany.
Naniraka ny ankizy vaviny izy,
dia miantso eo an-tampon’ny havoan’ny tanàna:

“Aoka hiditra aty izay kely saina!”

Ary hoy izy amin’izay tsy manan-tsaina:

“Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko.
Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo;
ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 10-11. 12-13. 14-15

Ankafizo sy anarano fo, fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Matahora ny Tompo ianareo olo-masiny,
fa izay matahotra ny Tompo tsy orin’inoninona:
ny manana no tonga mahantra sy noana,
izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.

Avia, rey anaka, henoy Aho:
ny tahotra ny Tompo no hampianariko anareo.
Iza ianareo no te ho velona
sady maniry fiainan-tsambatra?

Ny lela ambeno amin’ny ratsy,
ny molotra aoka tsy hamitaka;
ny ratsy, fadîna; ny tsara, atao;
ny fiadanana katsahina sy ilofosana.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 5, 1 5-20)

Aza manaonao foana, fa fantaro aloha ny sitra-pon’ny Tompo.

Ry kristianina havana, tandremo tsara ny fitondran-tenanareo,
aza misary adala, fa mbà hendry;
hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitraky ny Tompo.
Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany;
fa mifenoa Fanahy Masina ianareo.
Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho;
ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Misaora an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra,
amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako,
dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
Toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra:
Tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nankalaza ny andro Afrikana ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara omaly, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajàna ny zon'ny vehivavy no nentina nanamarihana izany teny amin'ny NovoTel Alarobia... ♦ Manokana andro roa ifampiresahan'ireo mpisehatra samihafa momba ny harena ankibon'ny tany tompon'andraikitra ny fandaharan'asan'ny firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana na ny PNUD. Atrik'asa tanterahana eny amin'ny Hotel Carlton Anosy nanomboka omaly... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM komity iraisan'ny mpiasa Malagasy ny Randrana sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa Malagasy...

♦ Nankalaza ny andro Afrikanina ho an'ny vehivavy isika teto Madagasikara androany, tamin'ny alalan'ny atrik'asa fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanajana ny zon'ny vehivavy, no nentina nanamarika izany tao amin'ny Novotel Alrobia... ♦ Hanatevin-daharana ny hetsika ataon'ny KIM, Komity Iraisan'ny Mpiasa Malagasy, ny Randrana Sendikaly. Tanjona iombonan'ny mpiasa rehetra ny hijerena ny maharary ny mpiasa malagasy... ♦ Tranga vaovao mbola tsy fahita tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo, ny famonoana zaza varira, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...

♦ Natokana ho fankalazana ny andro eran-tany ho an'ny pôlisin'ala sy ny pôlisin-drano mpiaro voalohany ny valan-javaboahary amin'ny faritra arovana ny 31 jolay... ♦ Isan'ireo firenena folo maneran-tany voakasika indrindra amin'ny fahatarana ara-pitomboana ary amin'ny laharana faharoa amin'ny tsy fanjarian-tsakafo aty Afrika Atsinanana sy Atsimo i Madagasikara... ♦ Sakana mampihemotra ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara ny lafiny fitanterana, ny fandriam-pahalemana ary ny olan'ny famatsiana herinaratra... ♦ Maty nandritra ny fanafihana nitranga tany Téhéran androany ny lehiben'ny vondrona Islamika Palestiniana Ismaïl Haniyeh sy ny mpiambina manokany iray...

♦ Nidina an-dalambe nandoro kodiarana sy nanapaka làlana indray omaly ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona, nandrava ny hetsika tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso ireo mpitandron'ny filaminana... ♦ Notoloran'ny filohan'i Guinée Bissau ny mari-boninahi-pirenena ambony ao aminy, ny filoha Rajoelina Andry omaly... ♦ Nahitana fitomboany ny vonjy voina nataon'ny sampana mpamonjy voina ao Antananarivo renivohitra tato anatin'ny enim-bolana voalohan'ny taona 2024 raha mitaha tamin'ny taona 2023... ♦ Any Royaume Unis : Namoy ny ainy taorian'ny ratra nahazo azy ilay tovovavikely isan'ireo niharan'ilay fanafihana tao amin'ny toerana fianarana mandihy tao South Port - Angleterre...

♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Ho azy ireo, Governemanta pôlitika ahitana taratra ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena, no tokony hajoro... ♦ Mila faritana mazava tsara ny lasim-panofanana ho an'ny fanofanana andraisan'ny maro anjara na ny “Formation de masse”, ho an'ny famokarana eny ambanivohitra. Tanterahana eto Antananarivo ny atrik'asa momba izany... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra hijery ny vidin-tsolika any amin'ny Faritra Sava, ny mpiaro ny zon'ny mpanjfa. Tafakatra 10.000 Ariary ny iray litatra eny amin'ny varomaizina...

♦ Mety ho mbola tsy ho amin'ity herinandro ity indray ny hitsanganan'ny governemanta vaovao. Mangina tanteraka ny momba izany, 20 andro taorian'ny namerenana ny praiministra amin'ny toerany... ♦ Misy tsy nety nitsara ny taratasim-panadinana Bakalôrea ireo mpampianatra sasany. Tsy eken'izy ireo ny fanaovana taratasy fanekena, ka nisy ireo tsy niroso tamin'ny fitsaràna, omaly... ♦ Tantsambo malagasy 60 isa no mbola tavela any Kômôro hatramin'izao noho ilay fepetra fisorohana ny fidiran'ny aretina Kôlera tany Mahajanga. Mitaky ny hampodiana azy ireo ny fianakaviany... ♦ Raikitra ny hetsi-panoherana ny voka-pifidianana any Venezuella, taorian'ny filazàna ny nahalany ny filoha Nicolas Maduro...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly ApôstôIy ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-10)

Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Ry kristianina havana, izao àry no izy:
Izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany,
araka ny voasoratra hoe:

“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”

Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny,
no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 111, 1-2. 5-6. 7-8. 9

Sambatra ny olona mahay mamindra fo sy mampisambotra.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo
sy mankasitraka fatratra ny didiny.
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.

Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalana voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.

Ny fandrenesana loza tsy mba atahorany;
ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay;
ny masony mibandrina ny rafilahiny.

Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)

Izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy:
fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
Izay tia ny ainy no hahavery azy;
fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao
no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Raha misy manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy,
ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.
Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nanomboka omaly ny fitsaràna ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ireo mpiadina Bakalôrea, hivoaka afaka tapa-bolana ny vokam-panadinana hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nakatona ny toerana fitrandrahana volamena antsokosoko any amin'ny reniranon'i Sahavatona any amin'ny Kaominina Vavantenina, olona iray no natolotra ny fitsaràna... ♦ Manahy ny amin'ny fisian'ny kolikoly avolenta manoloana ny raharaham-pitsarana amin' ireo voarohiroy ho namono an'i Rakotondrazafy Alain Maherinjaka na Allan ny reniny, niakatra fitsarana omaly teny Anosy ny raharaha... ♦ Mampiahiahy ny vondron'ireo firenena any Amerika Latina ny Vokam-pifidianana filoham-pirenena tany Venezuella...

♦ Miroso amin'ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ny mpiadina bakalôrea ny eto Antananarivo. Afaka iray volana no mivaly ny fanadinana, raha tsy misy ny fiovana... ♦ Atsy Afrika ny Filoham-pirenena sy ny delegasiôna tarihiny, tao aorian'ny fitsifihany tany Frantsa. Ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan'i Madagasikara ara-toekarena amin'i Guinée Bissau sy Angola no tanjona... ♦ Nakatona ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko tao amin'ny Fokontany Vohilengo, Kaominina Vavatenina, Faritra Analanjirofo. Tsy manana fahazoan-dalana ireo mpitrandraka...

♦ Hiara-manandratra vavaka manokana ny Diôsezy tsirairay eto Madagasikara, amin'ny vavaka fangatahana ny hananganana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Ny 1 aogositra no hankalazan'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany ilay “Pardon d'Assise”. Anisan'ny hiaina izany ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Na dia kely fitia aza isika, atolory ny Tompo izany. Fanaingana nataon'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Pierre...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...